Ilaina ny famenoana ireo andrim-panjakana rehetra voafaritra ao anatin’ny Repoblika fahefatra, hoy ny mpahay lalàna Rabenarivo Sahondra.
Andrasan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany koa anefa ny fanatanterahan’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ireo andininy tsy tanteraka tao anatin’ny sori-dalana nitantanana ny tetezamita, hoy ny fanampim-panazavana nomeny. Eo am-piandrasana ny famatsiam-bola avy any ivelany sy ireo tetikasa ilaina tohana ara-bola dia efa maro ireo asa azon’ny governemanta tanterahana toy ny fampiharana ireo lalàna eo am-pelatanan’ny filohan’ny Repoblika voalazan’ny Lalàmpanorenana sy ny fanitsiana ireo lalàna mila fanovana mifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny firenena Malagasy ankehitriny.
Azon’ny fahefana mpanatanteraka atao ny mandray fepetra avy hatrany mikasika ny fitantanana tsy mazava sy tsy eken’ny sehatra iraisam-pirenena nandritra ny fitondrana tetezamita toy ny resaka kolikoly sy ny tsy mangarahara momba ny fanondranana an-tsokosoko ireo harem-pirenena. Manan-danja lehibe amin’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika mantsy ny fihetsika midika fahavononana tahaka izany, hoy ny mpahay lalàna Rabenarivo Sahondra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.