Politique

Rabeharisoa Saraha Georget “Tsy haka fitondrana eny an-dalambe izahay”


  • Zoma 22 Jona 2012

Vahinin’ny SOKELA amin’ity anio ity ny filoha nasionalin’ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara. Mpanohitra sa antoko elanelam-panahy ny Maitso ? Ny loharanom-bolany, ny Maitso sy ny fitakiana sendikaly sy ny fitokonana etsy sy eroa … Manazava Rtoa Rabeharisoa Saraha Georget.

 Tia Tanindrazana (TT) : Mbola «centriste» sa efa mpanohitra ny antoko Maitso ? 

Saraha Georget (SG) : Misy ny voaongana sy mpanongana saingy tsy hoe tsy manan-tsafidy akory isika ka tsy maintsy izy roa ireo ihany. Izahay dia nametraka fijery vaovao amin’ny alalan’ny feo fahatelo (3ème voix). Misy antoko politika eto vonona hitondra vahaolana sy fomba fanaovana politika hafa. Tsy miandany sady tsy mankahala na iza na iza ny antoko Maitso fa manana foto-kevitra mazava izahay izay miorina amin’ ny tany, ny rano ary ny tontolo iainana. Ireo no iaingan’ny dinam-piarahamonin’ny antoko sy ny fandaharanasa hitondrana ny firenena. Na iza na iza no mikitikitika ireo hevitra fototra ireo dia mijoro ny Maitso tahaka ny nanoheranay ny fikasana hivarotra rano ambongadiny, ny fikasana fivarotana tany ambongadiny ihany koa tany Sofia sy Boeny taty aoriana. Lavinay torak’izay koa ny fanondranana omby velona satria misy fiantraikany amin’ny tontolo iainantsika ny tontolo ara-toekarena. Tena mahitsy ilay fomba fijery ka tsy ijerena hoe ny maha mpitondra na maha mpanohitra fa rehefa miteraka voka-dratsy dia toherinay.

TT : Mbola misy ve ny GFC (Groupement des Forces Centristes) fa toa mandeha irery foana ny Maitso tato ho ato ?
SG : Nanomboka tamin’ny 2010 ny Maitso no nilaza fa fifidianana iarahana amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany no vahaolana. Be dia be anefa no nilaza tamin’izany fa tokony hotanterahana aloha ny fampihavanana vao miroso amin’ny fifidianana. Hatramin’izao anie i Afrika Atsimo ka tsy mbola nahavita ilay fampihavanana e ! Tsara izy io atomboka satria tsy ho vita vetivety. Sady dingana mantsy izy no tanjona. Ny antoko Maitso dia mahaleotena tanteraka na ara-bola na ara-pitantanana ary efa manana kandida amin’ny sehatra rehetra. Izy izany no hiatrika fifidianana fa tsy misy idiran’iza na iza.

TT : Handray anjara amin’ny fifidianana ianareo nefa tsy manana solontena ao amin’ny CENI-T. Matoky ny fahaleovantenan’io rafitra io ve ianareo ?
SG : Hatramin’ny nandefasanay taratasy misokatra tany amin’ny filohan’ny CENI-T, iray volana lasa izay, dia misy ny fanatsarana efa tsapa na dia maro koa aza no tsy tanteraka. Ny fisian’ny solontenan’ny antoko ao anatin’ny sehatra mpikarakara ny fifidianana dia zon’ny antoko rehetra, araka ny lalàna fototra iraisam-pirenena mifehy ny fifidianana. Izay no antony nanaovana antso avo hisian’ny fihaonana iarahana amin’ny antoko rehetra mihevitra handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena handinika ny momba izany. Raha tsy mifanaiky momba ny datim-pifidianana ny antoko rehetra fa mbola misy fanilikilihana amin’ny endriny maro dia hisy foana ny fanoherana izay voka-pifidianana eo vao vita ilay fifidianana na afaka 2 na 3 taona. Mandritra io fihaonana io no iadian-kevitra momba izay mahakasika ny fifidianana rehetra sy ny fijerena ny lafiny ara-politika, toekarena ary ny sosialy. Iarahana mamaritra koa ny satan’ireo filoha teo aloha satria misy ny voasazy noho ny resaka ara-ketra sy heloka bevava. Ny iray indray dia sokajiana ho mpanongam-panjakana. Izahay Maitso manokana dia manohitra ny tsy maty manota. Raha atao ny fampihavanana dia miatomboka amin’ny fifonana avy amin’ireo loharanon’ny krizy izany. Momba ny fifidianana indray dia tokony hisy foana ny antoky ny firaisambe iraisam-pirenena satria izay no tanjona. Ankoatra izay dia ilaina koa ny fifaneken’ny mpanao politika.

TT : Ny filoha teo aloha anie efa nifona tamin’ny vahoaka e ! Sa mbola tsy ampy iny ?
SG : Misy ilay tena mifona amin’ny fo tokoa “sincèrement”. Tsy izay anefa no nataony tamin’iny satria nametraka izy hoe : “raha ohatra aho ka mety ho diso”. Ohatra iray faharoa koa i Tantely Andrianarivo izay tsy nanatanteraka mihitsy ny famindrana tamin’ny praiminisitra tompokolahy Sylla ny volantsika napetrany tao amin’ny Kaonty Soisa. Rehefa niverina izy tamin’ny 2010 dia nilaza fa efa namela ny Malagasy. Miala tsiny aho fa ny zavatra ohatr’izay mihitsy no tsy mety. Nisy anefa ny fanodinkodinana volam-bahoaka sy harem-pirenena teto. Ny andrasan’ny Malagasy dia mpitondra manao ny marina sy mitantana ny hareny ho an’ny tombontsoan’ny rehetra. Ilay filalaovana teny ataon’ny mpanao politika toy izay no ilazanay fa tsy avy amin’ny fo ilay fifonana.

TT : Tahaka ny ahoana no andrefesanareo ny tanjaky ny antoko Maitso amin’izao ?
SG : Amin’ny alalan’ny fandrefesana ny herin’ny sasany no amantarana ny tanjaky ny antoko ka ny fifidianana no ahalalana izay. Na izany aza dia tsy ny Zanak’i Dada ihany akory no mahafeno an’Ambohijatovo na koa ny mpanohana ny filohan’ny tetezamita. Izany no ahafahantsika milaza fa misy hetaheta hafa ao. Ny Maitso irery ihany amin’izao no mahafeno ny fepetra momba ny antoko politika noho izy manana rafitra manerana ny Nosy misy olona tsy latsaky ny sivy izay handray anjara amin’ny fifidianana. Masaka ara-poto-kevitra ihany koa ny antoko izay mitaiza ny mpikambana sy ny vahoaka ary mandray anjara amin’ny fifidianana. Izahay dia mihevitra fa tokony hasiana lalàna any aoriana any milaza fa izay antoko tsy mandray anjara amin’ny fifidianana dia foanana.

TT : Avy aiza ny loharanom-bolan’ny Maitso izay voalaza fa be vola be ?
SG : Latsak’emboka avy any amin’ny mpikambana fa mahazo fanampiana koa izahay. Na iza na iza anefa manolotra fanampiana dia mandinika tsara aloha izahay sao sanatria mamatotra ilay izy. Izay etika politika izay no heveriko fa mampahomby ny hetsika ataon’ny Maitso, izany hoe mampisy fiantraikany be dia be amin’ny vahoaka. Misy ny antoko be vola kokoa izay azo tamin’ny tsy mangarahara saingy tsy misy vokany. Rehefa madio dia mamoa voa tsara ny hazo tsara, ny hazo ratsy na asiana zezika aza dia tsy hamoa mihitsy.

TT : Ahoana no ahazoana antoka fa tsy hanafangaro ny fitantanana ny firenena sy ny orinasanao koa ianao raha voafidy ho filoham-pirenena ?
SG :
Mpahay lalàna ny tenako “juriste” ary izay no ataoko fa tsy mpandraharaha ohatra ny filoha teo aloha sy ny ankehitriny. Tsara mihitsy ny hijerena izany tena hoe “homme ou femme d’état”. Hatramin’ny nahazoana fahaleovantena dia ny Maitso irery ihany no antoko niforona tsy tao anatin’ny hetsi-bahoaka. Efa roa taona izao izahay no namoaka ny dinam-piarahamonina izay niainga tamin’ny Malagasy dia averinay amin’ny Malagasy. Tsy manao kobaka am-bava izahay raha mivoy ny toekarena maitso “économie verte“ satria ireo sampandraharaha mpamatsy vola dia nisafidy an’i Madagasikara hampiharana ny “écologie politique”. Hany antoko nametraka foto-kevitra sy mivoy izany alohan’ny fifidianana ny Maitso satria olona foana no nofidiana teto hatrizay fa tsy foto-kevitra. Nisy filoha teo aloha aza sahy nilaza ho mahafantatra ny zavatra ilain’ny vahoaka nefa anie ka samy manana ny mahasamihafa azy ny foko sy faritra na ara-pomba izany na ara-pihariana.

TT : Inona ny hevitry ny Maitso manoloana ny tetezamita vaovao aroson’ny MFM ?
SG : Tsy mety izany satria manao dingana iray izany dia mihemotra manao dingana roa aoriana. Zava-dehibe tsy azo odian-tsy hita fa ny governemanta Beriziky dia nahazo ny fankatoavana saingy ny fiaraha-mitantana no tsy ampy ao anatiny. Hevitra tsara ny tondrozotra satria nahitana fifanarahana ara-politika. Raha vao voasonia moa ilay izy dia nametraka izahay fa raha misy hery roa mifanipaka dia mila hery iray eo afovoany mba hampandeha ny firenena. Avy dia nailika anefa izahay kanefa matoa nivoaka iny “note explicative” iny dia noho ny Maitso. Hita izany izao fa misy antoko eto tsy vonona mihitsy amin’ny fifidianana fa mihevitra hametraka sarintsarina tetezamita faharoa indray. Izahay mihevitra fa ny efa ananana no tsara havaozina eo amin’ny fomba fiasa. Ny ekipa mantsy efa fantatra satria ireo efa teo tao anatin’ny 50 taona no mbola eo. Tsy omena sehatra mihitsy kosa ny mpanao politika vaovao. Momba ny MFM manokana dia efa tsy sahy mirotsaka tamin’ny fifidianana ry zareo no mbola mitady hilalao ny vahoaka hatrany. Omeo hasina ny mpifidy, tezao hifidy mba hiverenana amin’ny demokrasia sy ahazoana fankatoavana.

TT : Ho vita hatramin’ny farany ve anefa ity tetezamita ity noho ireo olana ara-tsosialy isan-karazany, ny hetsika sendikaly ary indrindra io raharaha Befotaka io ?
SG : Tena manahirana tokoa io toe-draharaha any Atsimo io. Misintona ny saintsika ny tenako fa tahaka an’io no niatombohan’i Soudan tamin’ny fotoan’androny. Ady ka nampisaraka roa ny firenena amin’izao fotoana. Izay no ilana ny fifampidinihana saingy tsy eo amin’ny olon-droa ihany fa miaraka amin’ireo izay handray ny fitantanana ny firenena koa.

TT : Lasa niatrika ny Rio+20 Atoa Rajoelina. Laharam-pahamehana ve io fihaonana io izay iresahana tontolo iainana mahasarotiny anareo Maitso tokoa ?
SG :
Nametraka foana izahay hatramin’ny 2009 ho an’ny filohan’ny FAT sy ny FAT rehetra fa ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra. Tokony holanjalanjaina foana ny zavatra atao satria vola ana miliara no lany isaky ny fankazalana 26jona sy ny fanamarihana ny fananana ilay lalàmpanorenana farany. Aminay ireny dia tena manompa ny fahantran’ny maro an’isa. Momba ny fandehanany any Rio indray dia tsy haiko raha noho ny fiarovany ny ainy noho io raharaha Befotaka io na koa mba sitrany ahay mandray fitenenana amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena. Izahay koa any dia manana solontena amin’ny alalan’ny “Global Greens” izay mahafantatra tsara ny resaka “bois de rose” sy fasimainty ary fitrandrahana tsy ara-dalàna isan-karazany. Maro no afaka misolotena an’i Madagasikara any ka mahagaga ihany raha ny Filohan’ny FAT no misolotena antsika amin’ny sehatra tsy voaarony akory teto an-toerana. Olona tsy mbola lanim-bahoaka koa anie Atoa Rajoelina izay tsy nomen’ny Malagasy “légitimité” hiresaka momba fampandrosoana ny firenena satria fanatontosana fifidianana no andraikitry ny tetezamita.

TT : Voalaza koa fa tao ambadiky ny Free-FM ianareo ?
SG :
Manana foto-kevitra 5 ny Maitso dia ny fahendrena ara-ekolojika, ny tsy fanavakavahana, ny “laicité”, ny tsy fampiasan-kery ary ny fandraisan’ny daholobe anjara. Midika izany fa raha mbola misy zo tsy mipetraka na koa tsy voahaja dia miteny foana izahay. Araka izany raha misy ny fitanilana toy ny fanakatonana ny onjam-peon’ny sasany sy fanakatonana ny an’ny hafa noho ny antony ara-politika na koa ny tsy fisian’ny fahamarinana amin’ny resaka “bois de rose” dia toherinay foana. Mby aiza moa izao no voaheloka amin’io “bois de rose” io ? Misy fitoriana anefa mipetraka ary manana dosie momba ireny koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny Maitso. Na izany aza, izahay kosa dia tsy maka fitondrana amin’ny fidinana an-dalambe fa manaja ny demokrasia ary izay no itakianay fifidianana. Ny fiarahamonim-pirenena sy sendika no afaka manao izany toy ny “Green Peace” izay antsoinay hipetraka eto.

TT : Raha lany filoha ianao, hanavao ireo fifanarahana fitrandrahana nataon’ny FAT ve ?
SG : Mazava ho azy fa tsy maintsy jerena ireny tetikasa nosoniavina nandritra ny tetezamita ireny mba ho tena mamaly ny tombontsoam-pirenena. Ny faharoa dia ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana marina hitsinjarana ny tombony azo amin’ireo Faritra. Hokajiana koa ny tetim-bidin’ny harentsika Malagasy izay tsy vita tao anatin’ny 50 taona. Noho ny tsy fahafantarana izay no mahatonga antsika manao fifanarahana izay aty aoriana vao tsapa fa matiantoka isika. Rehefa vita izay vao fantatra ny hatao amin’ireo tetikasa ireo.

Nangonin’i Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT