“Malahelo ny manjo ny mpiray firenena hatramin’ny nisian’ny krizy aho”, hoy Rabehaja Nomenjanahary Ali Abel “Menja”, kandidà solombavam-bahoaka nitana ny laharana faha-5 tao amin’ny Boriborintany voalohany tamin’ny fifidianana farany teo.
Mbola ianjadian’ny fandravan-trano indray ny fianakaviana maro na dia efa miantraika amin’ny ainy aza ny tsy fandriampahalemana sy ny fahantrana lalina. Nilaza ny efa nanana paikady hanavotany ny vahoakan’ny Boriborintany sy ny manerana ny Nosy moa izy, nefa tsy lany ho solombavam-bahoaka ka tsy afaka hanapariaka izany. Na izany aza dia mihevitra azy ho toy ireo solombavam-bahoaka feno ny manodidina azy eny Andavamamba ka betsaka no milahatra mitady vahaolona aminy amin’ny fiatrehana ny fiainana miha-sarotra andro aman’alina ity. Beaziko, hiala amin’ny fomban’ny mpanao politika mividy olona ny ety aminay, hoy i Menja, ka tsy omeko vola maimaim-poana mihitsy fa omeko asa misy tambiny, ho ataony. “Tsy vahaolana amiko ny fizarana vary sy kojakoja hafa amin’izao fotsiny ho an’ireo sahirana ireo”, hoy izy, “fa tena manazatra azy hangataka izany”. Tantanina hanarin-tena ireo vahoaka sahirana ireo mba tsy hananan’ny firenena mpangataka maro be ka nijery fifanarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka ny tenako hahazoana manome asa matotra hoan’ireo sahirana ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.