Politique

R.J - renina gadra politika Novonoina ny zanako mba hanerena azy hiaiky …


  • Alakamisy 17 Jona 2010

«Nijaly be izy, novonoina. Nisy goaka be teo amin’ny tanany sy teo amin’ny tongony», santionany tamin’ny nanjo tamin’ny iray tamin’ireo voafonja politika 2009 izany. Renim-pianakaviana iray, niangavy tsy holazaina anarana (R.J), no hitantara amintsika ny nanjo ny zanany. Hijoro vavolombelona ny zavatra iainany izy sy ny ankohonany izany hoe manana zanaka voafonja eny Tsiafahy.

Tia Tanindrazana (T.T) : Azonao tantaraina ve inona marina no nitranga dia hoe oviana ny zanakao no voasambotra sy naiditra am-ponja?R.J : Tsaroako tsara fa tany ambanivohitra aho tamin’izay fotoana izay. Soratra maro sosona na sms no ifandraisanay mivady. Gaga anefa aho, indray alarobia, ny volana jona 2009 fa niantso ahy imbetsaka ny vadiko fa tsy nety voaraiko mihitsy ny antsony. Rehefa niantso azy aho dia nambarany fa nosamborina ny zanako ka nasainy niakatra taty an-drenivohitra aho. Ranomaso tsy nisy toy izany no nandraisako izany. Tsy nety nilaza tamiko tamin’ny telefona izay antony nisamborana ny zanako koa ny vadiko fa hoe rehefa aty Antananarivo miresaka. Rehefa tonga teto aho, ny alakamisy ihany dia nohazavain’ny tao an-trano amin’izay. Nangataka ny hihaona amin’ny zanako aho ary dia teny Fiadanana. Tsy afaka nifampiresaka moa izahay fa dia nifampijery sy nifampikopa-tanana fotsiny.

T.T : Azonao tantaraina ve talohan’ny nisamborana azy dia nanao inona ny zanakao ?
R.J : Ny zanako dia anisan’ireo very asa satria nodorana sy norobaina ny toeram-piasany. Tsy ny asa ihany anefa no very, fa mbola nanomana “soutenance mémoire”, hivoaka injeniera izy tamin’izany. Noraiketiny tanatin’ny solosainy tany am-piasany ny bokiny efa voatsara. Ny 6 febroary izy no voalaza fa hanao ny fanohananany asa fikarohana nataony, ny 26 janoary anefa norobaina ny orinasany ary dia lasa tany avokoa ny herim-pony rehetra. Hitany mihitsy ilay olona nibata ilay solosaina nisy ny raki-karohany kanefa izy indray no saika novonoin’ilay olona raha mba niteny izy hoe avelao iny.
 
T.T : Resaka baomba no nahavoarohirohy ny zanakao, ary nisy nilaza fa hoe niaiky izy nanao izany. Misy azonao ambara ve ny momba izany ?
R.J : Tena zavatra tsy neritreretiko mihitsy izany. Nifototra tamin’ny maha kristianina ny nitazainay azy. Tsy mino izahay hoe hahavita izany izy. Tsy izahay ihany fa ireo olona mahafantatra azy ihany koa. Ny hitako dia nijaly be izy tamin’ny famotorana, novonoina. Teo amin’ny tanany nisy goaka naratra be, tsy haiko na nodorana na notsindromina tamin’ny inona. Ny tongony koa. Raha ny fanazavany dia noterena izy hoe : tsy maintsy miaiky.
 
T.T : Nanao ahoana no niainanareo izany fotoana rehetra izany ?
R.J : Ny volana jona 2009 no nisamborana azy, ny volana jolay 2009 kosa no nampidirana azy teny Tsiafahy. Tebiteby, fahoriana ara-tsaina sy ara-batana. Tena mafy saingy misaotra an’Andriamanitra fa Izy no mampahery. (Nanganohano ny masony). Be dia be no niova. Eo amin’ny fikarakarana azy dia tsy avelanay ho irery izy na ara-batana io, na ara-moraly. Fantatray sy tsapanay ny fahoriana iainany ao anatiny ao. Ireo voafonja eny Tsiafahy anie ka anisan’ireo tena hikoizana e, voaheloka mandrapahafaty ny ankamaroany. Herintaona izay no lasa….
 
T.T : Impiry ianareo no mamangy azy eny Tsiafahy ?
R.J : Tamin’izy vao niditra teny dia tonga eny izahay isaky ny alakamisy sy alahady. Hatramin’ny volana janoary 2010 teo no ho mankaty izahay no isaky ny alahady sisa. Tena tsy arakay ka dia najanona ilay alakamisy.
 
TT : Manao ahoana sy inona avy ny fiomanana rehefa ho eny Tsiafahy ?
R.J : Vao mitsidika ny alatsinainy tamin’izany dia efa mieritreritra izay hoentina ny alakamisy, torak’izay koa, raha vao tonga avy any Tsiafahy ny alakamisy hariva dia efa misaina izay hoentina ny alahady. Ny fiainanay dia lasa mieritreritra izay aterina any foana satria tena tsy zakako ny mieritreritra azy.
 
T.T : Azo fantarina hoe ohatrinona eo ho eo no lanianareo isaky ny mankany Tsiafahy ?
R.J : Tena volabe. Tsy latsaky ny 7 alina ariary ny vola lany isaky ny mankeny Tsiafahy. Tena lasa laharam-pahamehana amin’ny fiainanay ny zanakay, tena tsy zakanay manko ka aleonay hoe izahay aty an-trano no mihafy toy izay izy no mijaly. Efa hazavaina amin’ireo mpiray tampo aminy efatra mianadahy izany.
 
T.T : Ankoatra izay, inona koa ny fiovana teo amin’ny fiainanareo ? Tsy nandatsa azy ve ianareo sa hoe ahoana ?
R.J : Izahay raiamandreny tokoa aloha, teo aloha dia tsy nanana firehana. Tsy nanaraka ny hetsika politika izahay. Fa ny zanakay kosa dia nandeha nitolona foana isan’andro na teny Ambohijatovo na teny Ankorondrano. Tsy nandatsa azy izahay fa ny nankahery azy aza no nataonay. Amin’izao dia izahay ray aman-dreny no mameno ny banga. Isan’andro izahay dia tonga eny amin’ny Magro, mihaino vaovao hahafahanay mampita izany any amin’ny zanakay. Misy fotoana izahay mivady no miaraka mankeny.
 
T.T : Mino ve ianao fa handresy izao tolona izao ?
R.J : Mino aho fa tsy maintsy handresy
 
T.T : Mbola misy tianao hambara ve ?
R.J : Mankahery ireo namana voafonja. Hitako ary fantatro ny zavatra iainan’izy ireo. Mino sy matoky anefa aho fa Andriamanitra no Mpanafaka anay amin’izao fahoriana izao. Mino aho fa hamotsotra ireo gadra Izy. Eto dia tsy haiko ny tsy hisaotra ireo rehetra tamin’ny fanampiana sy ny fitrotroana am-bavaka sy ny fankaherezana anay.
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT