Politique

« PV » tamin’ny fifidianana Filoha Nisy namoaka, lasa famonosana mofogasy


  • Talata 13 Desambra 2016

Mbola azo hanaporofoana ny fisian’ny gaboraraka amin’ny fomba fitantanana eto Madagasikara indray ny tranga niseho tamin’ny faran’ny herinandro teo. Hita teny amina mpivarotra hani-masaka ny taratasy ofisialy nampiasain’ny CENI-T tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013.

Taratasy fitanana an-tsoratra fanamarinana ny isam-bato ity hita ity. Ekena fa efa vita ny fifidianana saingy tsy midika izany fa azo avoaka amin’izay ka omena na amidy amin’ny kilao ho an’izay mila taratasy ny taratasim-pifidianana tahaka izao. Mazava ankehitriny fa tsy ampy intsony ny tahirin-kevitra ara-taratasy momba iny fifidianana filoham-pirenena iny fa efa navadika vola ka namidy tetsy sy teroa ny « PV ». Tsy atao mahagaga raha tafavoaka ihany koa ny basy sy bala any anaty toby miaramila satria tena tsy misy ny fanaraha-maso eto amintsika, ary meloka voalohany amin’izany ny fitondram-panjakana izay tena tsy mahavita araka ny tokony ho izy ny asany. Mety heverin’ny sasany ho maivana ity hoe : taratasim-pifidianana lasa famonosana mofo ity saingy tena zava-doza kosa anefa ho an’ny firenena. Hay ve izany ka mivoaka malalaka eny am-pelatanan’ny olona ny taratasy mirakitra ny fanisam-bato eto Madagasikara e ? Efa milaza ny manatsara ny fomba fiasany moa ny CENI amin’izao fotoana ka asa izay ho fivoakany eo indray amin’ny manaraka. Raha tahaka ity tranga ity aloha no mbola miverina dia sarotra ny hatoky ny resaka fanisam-bato e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT