Vato misakana amin’ ny fampandrosoana eny anivon’ ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny fahadisoam-panantenana teo amin’ ireo mpifidy manoloana ireo endrika ratsin’ ireo olona voafidy.
Matetika tsy mifanaraka amin’ ny vina ny fampanantenana nentina nandritra ny fampielezan-kevitr’ilay kandidà na mifanalavitra amin’ny nambarany ny asa ataony. Ohatra mivaingana ny kizo lalina eto amin’ ny firenena tao anatin’ ny taona maro kanefa jerena tsara sy mahaliana tokoa ny fandaharanasan’ireo kandida ary mipoapoaka ny kabary. Hanomboka indray ity ny propagandy, fototra iaingan’ny fampandrosoana ny kaominina, efa antsoina mihitsy moa hoe : “filoham-pirenena kely” ny ben’ny tanàna; midika izany fa saropady ny safidy ataon’ny Malagasy mpifidy ka tsy tokony handeha amin’ny fientanam-po fotsiny fa tena atao am-piheverana tsara.Misy ny atao hoe kandidan’ny antoko eo amin’ny fitondrana, misy no kandidan’ny mpanohitra ny fitondrana, ao ireo mahaleo tena..maro isafidianana noho izany ny vahoaka.Samy mahay miresaka sy mandresy lahatra ireo fa iza no azo antoka tena hitondra fampandrosoana ao amin’ny kaominina ? Iza no afaka miasa miaraka amin’ny rehetra, iza no mahitsy sy marina fa tsy mivadibadi-dela sy foto-pisainana isaky ny mihetsika.Azo tanterahana marina ve ilay fandaharanasa lazaina anaty propagandy sa nofinofy natao hakana isam-bato fotsiny…Tahaka izany no fanontaniana mila tonga ao an-tsain’ny mpifidy, fa tsy sanatria faly mijery fampisehoana na mandray fanomezana fotsiny.Ny ho avin’ny firenena mihitsy no resaka eto fa tsy hoe fandresena na faharesena antoko politika izatsy na izaroa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.