Mbola lesoka ho an’ny tany an-dalam-pandrosoana toa antsika, raha araka ny fanazavan-dRaharisoamalala Patricia mpikambana eo anivon’ny KMF /CNOE omaly ny tsy fanajana ny lalàna velona mahakasika ny fifidianana.
Mandeha sahady ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana tanterahin’ny fitondram-panjakana, hoy izy, antony tsy mampitovy lenta ny samy kandida rehefa tonga tokoa ny fotoana. Miantso ny vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana ny tenany hijery akaiky ny zava-misy. Tsy rehefa eo amin’ny fitondrana akory dia afaka manao izay tiana hatao, hoy Raharisoamalala Patricia fa ny mpitondra aza no tokony hanome maodely tsara ho an’ny rehetra hanehoana fa tany tan-dalàna i Madagasikara sady manaja ny lalàna velona misy. Tsiahivina fa efa hatramin’ny ela ny KMF /CNOE no efa niantso ny CENI mahakasika ny fanaraha-maso ny fifidianana. Andrasana izay mety ho fanapahan-kevitr’ireto farany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.