Niely ny resaka sy feo momba ny hoe fahitana angidim-by na “helicopère” mampiahiahy tany Ambatosenegaly, any amin’ny 30 km eo aorian’i Moramanga raha avy any Toamasina noho ny fihotsahan’ny tany ny alin’ny talata 20 martsa teo, nentina tamina kamio lava be iray niara-nihitsoka tamin’ny fiara rehetra.
Nambara fa nony tonga teto Antananarivo, omaly maraina dia nampidirina amina toerana iray eny Ambodivona. Nambara mihitsy aza fa ana tompon’andraikitra ambony tamin’ny tetezamita izany. Ny tena marina anefa, dia tany amin’ny seranam-piaramanidina any Ambalamanasa Toamasina no nahitana azy io. Tsara kosa ny manamarika fa misy orinasa iray voalaza fa mampanofa angidim-by ao amin’ny faritry ny Tana Water Front ao Ambodivona, ka tsy hay na an’io orinasa io tokoa na ana olona ambony tamin’ny tetezamita satria resaka niparitaka be izany omaly, fa ny tena zavatra azo antoka aloha dia tany Ambalamanasy no tena nahitana ilay angidim-by fa tsy tetsy Ambodivona velively, saingy tsy fantatra izay tena tanjona tamin’ity resaka naely ity. Raha ny io resaka io hatrany aza moa, dia bovoizina fa nanafatra angidim-by miisa 3 sy fiaramanidina kely na “jet privé” miisa 2 ny io olo-malazan’ny 2009 io, saingy tsy mbola misy aloha ny porofo mazava manambara izany. Tsy fantatra mazava hatreto, izay tena tompony sy nanafatra azy ireny, izay lasa resabe mihitsy amin’izao fotoana. Ny vaovao voaray avy any Ambalamanasy Toamasina omaly, dia nalefa sambo, ary natambatra na natao “montage” tany an-toerana omaly io angidim-by io. Toa sarotsarora ho an’ny olona tsy ao anaty fitondrana anefa no hampiditra malalaka an’izany eto noho ny resaka kapa ranjo politika, indrindra amin’izao vanim-potoana akaiky fifidianana izao. Niniana nahely ve ilay resaka mba hanasoketana ny hafa fa ny mpitondra ihany no ao ambadika? Efa noresahina teto rahateo ny fisian’ny tetika mety hamolavolana lalàna hanakanana ny fampidirana ireny angidim-by ireny amin’ny propagandy. Hampidirina ve izay azo hampidirina, ary handeha ny kapa ranjo avy eo ? Ny tsy azo lavina dia mandeha ny bizina sy ny afera, raha hampiasaina amin’ny resaka politika tokoa ireny angidim-by raitra ireny. Ny vahoaka kosa etsy an-daniny mpitazana sisa fa tsy mahalala izay andinindininy kely akory satria ny fahantrany sy ny fahasahiranany no maha repotra azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.