Notanterahana teny amin’ny foiben’ny CENI-T, teny Alarobia omaly, ny antsapaka amin’ny fifandaminana ny fanehoan-kevitra sy propagandy ataon’ireo kandida filoham-pirenena ao amin’ny haino amanjerim-panjakana dia ny RNM sy ny TVM izany.
Henjana dia henjana ny fanakianan’ny kandida sasany ny Tale jeneralin’ny OMERT Augustin Andriamananoro sy ny CENI-T amin’ny ankapobeny, satria mibaribary be fa misy kandida tena mahazo vahana be mihitsy ao amin’ny TVM sy RNM ao. Efa sokajian’ny mpanara-baovao ho kandidam-panjakana mihitsy moa Atoa Hery Rajaonarimampianina ary tena manaram-po ao amin’ny haino amanjerim-panjakana ao, fa anisan’ireo tsara karakara sy mahazo laka ao koa ry Camille Vital sy Pierrot Rajaonarivelo. Tena mampalahelo izahay kandida madinika fa tahaka ny kamboty tsy misy mpiahy mihitsy, manoloana ny ataon’ireo kandida lehibe, hoy i Vahombey na Rabearison Roland Dieu Donné. Nahitsy fitenenana ity kandidan’ny FAnambinana MAdagasikara ity ary nilaza fa misy mpangala-bola ireo kandida sasany ireo ka izany no nampatanjaka azy.
Ho an’ny kandida Razafimanazato Julien kosa, aminy dia tokony hatotaly ny fe-potoana nandalovan’ny kandida sasany tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ka arakarak’izay no handaminana ny fanehoan-kevitra ao indray rehefa tena raikitra ny propagandy. Izany hoe mila ahena ny ora na minitra ho an’ny kandida sasany izay efa nibahan-toerana mialoha tao amin’ny RNM sy ny TVM. Nahagaga no sady nampisafoaka ny rehetra tonga teny Alarobia, omaly kosa ny filazan-dRamatoa Atallah Beatrice ny fisiana didim-panjakana manome alalana ny minisitra am-perinasa hanatrika fampielezan-kevitra savaranonando na fampielezan-kevitra mihitsy, saingy tsy mahazo mikabary izy. Dia tena mahatalanjona tokoa ny fanambarana tahaka izany satria mazava ny ambaran’ny lalàna mifehy ny fifidianana fa tsy azon’ny manam-pahefana atao mihitsy ny manohana kandida na lisitra kandida, ary fampidirana am-ponja sy fandoavana onitra no ho tambin’izany raha toa ka misy mbola sahy manao ihany.
Na mikabary, na tsy mikabary ny minisitra iray, dia efa midika zavatra goavana ny fanatrehany ny propagandina kandida izatsy na izaroa. Eto Madagasikara manokana dia mbola mandaitra tsara mihitsy, indrindra fa any ambanivohitra ny tsindry bokotra ataon’ny manampahefana mba hampandaniana kandida iray. Raha tsy mahay mandamina ity fanehoan-kevitry ny kandida ao amin’ny haino amanjerim-panjakana ity ny CENI-T sy ny ministeran’ny serasera dia ho raharaha ihany ny hitranga eto rehefa raikitra ny propagandy. Rariny sy hitsiny raha tonga dia handraisana fepetra aloha ireo kandida efa tena naneho hevitra matetika tao amin’ny RNM sy TVM, nahazo tombon-dalana be loatra mantsy izy ireny ka manjary tsy mitovy ilay erijika hiatrehana ny propagandy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.