Politique

Propagandy an-kolaka Mampatsiahy ny lalàna ny HCC


  • Alatsinainy 01 Aprily 2019

Nampatsiahy ireo daty voatondron`ny lalàna hanombohana ny fampielezan-kevitra mifandray amin`ny fifidianana solombavambahoaka ny teo anivon`ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC).

 Manomboka ny 6 mey ary hifarana amin`ny 25 mey misasakalina ny fampielezan-kevitra ataon`ireo kandidà depiote. Araka ny fanambarana,  voararan`ny lalàna ny fampiasana fitaovana fampielezan-kevitra amin`ny fifidianana izay voafaritra ao amin`ny and. 92 ao anatin`ny lalàna mifehy ny fifidianana solombavambahoaka sy fitsapan-kevi-bahoaka. Efa misy kandidà mandika izany lalàna izany, hoy ny fampitam-baovao. Tsy tokony hisy izay kandidà mihoatra an`izay fe-potoana efa napetraka mialoha ny fanokafana ofisialy. Voafaritra ao anatin`izany fa voasokajy ho fampielezan-kevitra rehefa doka amin`ny haino aman-jery na am-bava na an-tsoratra mikasika ny kandidà iray. Tsy vitsy amin`ireo kandidà no efa nandika izay lalàna izay tamin`ny alalan`ny fandoavam-bola amin`ny fandefasana fanentanana dokambarotra amina fahitalavitra tsy miankina. Torak`izany koa ny amin`ireo pejy voalohany ireo gazety an-tsoratra maneho ny sary sy ny laharan`ny kandidà iray. Nanambara ny HCC fa ireo haino aman-jery dia manana adidy amin`izay fampiharana lalàna izay ary heverina ho firaisana tsikombakomba amin`ny fandikana ny lalàna mifehy ny fifidianana. Miantso ny kandidà rehetra ampitsahatra izany HCC mandra-pahatonga ny fotoan’ny fampielezan-kevitra. Kandidà mikasa handrafitra ny fahefana mpanao lalàna ny kandidà solombavambahoaka ka tokony haneho fitondran-tena fakana tahaka manoloana ny fiorenana amin`ny lalàna sy fanajana ny fitsipika manan-kery, hoy hatrany ny fanamarihana nataon`ny HCC.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT