Nifadimbiasana kandida nanaovana fampielezan-kevitra ny renivohitr’i Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Teo ny kandida Pierrot Rajaonarivelo tao amin’ny kianja Lycée teknika ny sabotsy tolakandro, izay nahavory olona sy tohanan’ny Arema ihany koa ankehitriny.
Teo koa ny kandida Razafindravahy Edgar, izay kandidan’ny antoko TGV teny amoron-dranomasina nanakaiky ny fiangonana Katolika Md Josefa Ampasimazava izay nahavory olona ihany koa, ny andro rahateo alahady tolakandro fotoam-pitsangatsanganan’ny olona eny amoron-dranomasina. Tamin’ity kandida farany ity izay nitafa tamin’ny vahoakan’i Toamasina efa harivariva ihany sy tao anatin’ny orana, no nitranga ny loza tamin’ny mpiara-dia aminy iray ao Toamasina tratry ny hatezeran’ny olona, araka ny fanazavana azo tamin’ireo mpitandro ny filaminana. Vokatry ny olana ara-bola sy araka fitafiana mirakitra ny sarin’ny kandida nampanantenaina ireo andian’olona nantsoina, izay tsy afa-po tamin’ny fifanarahana nifanaovana tamin’izy ireo no antony. Tovolahy iray no niharan’ny hatezeran’ny olona ka voatsatoka antsy ny alahady tolakandro. Noho ny ratra nahazo azy dia tsy tana ny ain’ity tovolahy ity na dia efa notsaboina teny amin’ny hopitaly be aza izy omaly alatsinainy maraina. Misokatra ny fanadihadiana, araka ny tenin’ireo mpitandro ny filaminana. Nambaran’izy ireo fa tokony hotanterahan’ireo kandida na ireo mpanohana azy ny teny nomeny ireo olona nampanantenainy zavatra na fanomezana, mba tsy hiafara amin’ny toe-javatra mampalahelo tahaka izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.