Propagandin’i Hery Rajaonarimampianina

> Ady t-shirt tao Antsonjombe, nampiasa fiara tsy misy nomerao tany Ihosy


  • Alatsinainy 30 Septambra 2013

Ny fampisehoana maimaimpoana ataon’ireo mpanakanto kalaza ve no nahasarika olona sa ny kandida nanao fampielezan-kevitra sa ny fizarana fanomezana ?

Nandritra ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandida Hery Rajaonarimampianina teny amin’ny Colesium Antsonjombe omaly ohatra dia tsy nihambahamba ny mpanentana nilaza fa misy fizarana t-shirt isaky ny vavahady fidirana. Nisy tamin’ireo mpitady an’izany no rafitr’ady mihitsy, nisy indray ary maro ireo nahazo nefa tsy nisalotra ny azy akory, ka inona izany no tena nahatongavany teny ? Fa olona samihafa any Ihosy kosa no manamarika fa fiara maromaro tsy misy nomerao, na misy nomerao fa laharana vahiny, no nampiasan’ireo delegasiona niara-dia tamin’ity kandida ity tao an-drenivohitry ny Faritra Ihorombe ny sabotsy teo. Maro no nametra-panontaniana nanoloana izany hoe sao dia mba fiaram-panjakana ireny ?

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT