Politique

Profesora Zafy Naparitany amin’izay ny dosie «bois de rose»


  • Zoma 06 Janoary 2012

Nanoratany ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina, nandefasany taratasy ihany koa ny praiminisitra Omer Beriziky sy ny Cemgam, ny Jeneraly Ndrianarijaona André.

 Nanaterany antontan-taratasy izay mirakitra ny tsiambaratelo rehetra ny mpanao gazety, ny fiarahamonim-pirenena, ny FFKM, ny fonksionera ambony ary ny olon-tsotra sasany. Voarakitra ao avokoa ny fijoroana ho vavolombelona izay nataon’ny olona sasany nogadraina «tsy fidiny» tao anatin’ny raharaha. Anarana maromaro no voatonona ao, ka anisany ny an’i Andry Rajoelina sy ny praiminisitra teo aloha Camille Vital. Izany dia mahakasika ny fanondranana Andramena 300 taonina saika alefa tany Chine kinanjo tratra tao Anjouan (Comores). Feno tanteraka ny porofo ao anatin’ilay dosie izay naparitaky ny Profesora.

Nandefasany ny filohan’ny FAT ary nampiarahiny taratasy izay manambara fa “fikambanam-ben’ny tsy tan-dalàna ny FAT…lalàna inona no mifehy azy ?...Porofoy eo imason’ny vahoaka fa tsy ambonin’ny lalàna ianao… Voaporofo tamin’ny fanadihadiana maro iraisam-pirenena mantsy fa mitana ny laharana voalohany amin’ny fanondranana ianao…”. Ho an’ny Praiminisitra Omer Beriziky izay nahazo ny dosie ihany koa dia nanoratan’ny Profesora izy fa “tokony hokapaina izay azo kapaina mba ho tetezamita madio, tsara tantana no hidirana satria tany tan-dalàna i Madagasikara kanefa misy koa ny tompon’andraikitra izay ambony tsy tan-dalàna”.

Farany dia ho an’ny Cemgam izay nanoratan’ny Profesora fa tokony hamoaka ny marina ho an’ny vahoaka momba ny isan’ny hazo izay mbola tazomina ao amin’ny toby miaramila Betongolo. Nalefa ao mantsy izay hazo tratra hatrizay. Nambarany ihany koa fa tokony handray andraikitra ny miaramila manoloana ny zava-nitranga satria “voarohirohy tao anatin’ny fanondranana i Andry Rajoelina”. Naparitaky ny Profesora Zafy ihany ny porofo teo an-tanany. Andrasana ny mety ho vokatr’izany. Raha ny zava-misy anefa dia toa miraviravy tanana ny tompon’andraikitra. Andrasana ihany koa ny mety ho fijerin’ny Praimininisitra Beriziky an’izany.

G.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT