Politique

Profesora Zafy Eny amin’ny Kianjan’ny demokrasia anio


  • Talata 17 Janoary 2012

Anaran-tsy very sisa ny Kianjan’ny demokrasia etsy Ambohijatovo. Raha nilokaloka fatratra ny Ben’ny tanŕnan’Antananarivo, Andry Rajoelina, telo taona lasa katroka izay fa atao toerana fanehoan-kevitra malalaka, misokatra ho an’ny rehetra ka tsy ilana fahazoan-dalana ny fampiasana azy ny zaridainan’Ambohijatovo dia zary nofinofy sisa izany ankehitriny.

 Lasa tany fady ho an’izay tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra mantsy ity toerana ity ary navadika ho kianja fialamboly araka ny didim-pitondrana navoakan’ny Kaominina Antananarivo.“Telo taona no niandrasana ilay demokrasia nimatimatesana fa vao mainka mihahenjana hatrany ny jadona ataon’i Andry Rajoelina sy ny FAT”, hoy i Lalatiana Ravololomanana avy amin’ny ankolafy Zafy. “Tsy maintsy ampanjakaina anefa ny demokrasia tena izy izay tsy anilihana na iza na iza ary sokafana ho an’ny rehetra ity kianjan’ny demokrasia ity”, araka ny fanazavany hatrany. Araka izany dia hankeny Ambohijatovo ny ankolafy misy azy sy ny tia tanindrazana rehetra amin’ity anio ity, amin’ny 11 ora antoandro, hametraka fehezam-boninankazo amin’ilay tsangambato. Ny profesora Zafy Albert no hitarika ny delegasiona hamita izany, araka ny fampahafantarana teny amin’ny “Villa Elisabeth” omaly. Nandefasana fanasana hanatrika izany koa ny mpitondra fanjakana isan’ambaratongany manomboka amin’ny tandapa ao Ambohitsorohitra sy ny Filankevitra monisipaly. Araka ny fandaharam-potoana dia hisy ny teny fisaorana hataon’ny Rain’ny demokrasia ho an’ny vahoaka tonga eny an-toerana vao vita io fametrahana fehezam-boninkazo io. Marihina fa nolavin’ny Kaominina sy ny “Préfet de police” ny fanatontosana io hetsika io saingy ampy ho an’ny mpikarakara kosa ny fanomezan-dalana am-bava nomen’ny Praminisitra Omer Beriziky ny profesora Zafy. “Hetsika milamina no hotontosaina ka miantso fiaraha-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana izahay”, hoy ny pastera Edouard Tsarahame.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT