Politique

Profesora Radanoara Tsy hisy vokany avy hatrany ny fampiantranoana ny Frankofonia


  • Alakamisy 24 Novambra 2016

Adihevitra eny anivon’ny fiarahamonina Malagasy hatramin’izao ny mety ho tombontsoa ho azon’i Madagasikara na tsia amin’ny fandraisantsika ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia tontosaina ankehitriny.

 

 Tsara hotsipihina anefa fa tsy misy akony avy hatrany ny fandraisana fivoriana iraisampirenena toy ny hita eto amintsika amin’izao fotoana izao, hoy ny profesora Radanoara Julien.  Tsy maintsy jerena kosa ny lafiny toekarena amin’ny ankapobeny raha te-handrefy ny fahombiazan’io fampiantranoana ny fikaonandohan’ireo tany mampiasa ampahany na manontolo ny fiteny frantsay io isika, hoy ity manampahaizana eo amin’ny fifandraisana iraisampirenena ity. Anisan’izany ny resaka ara-barotra, ny fampiasambola, ny fizahantany na koa ny tsena fifanakalozana. Mialoha lalana hatrany ny tontolon’ny fifandraisana na diplaomasia ary manaraka kosa ny sehatry ny toekarena. Iaraha-mahalala, ohatra, ny toerana manerantany misy ny nosy Maorisy izay firenena modely eto Afrika misitraka ireo tombontsoa amin’ny fampiantranoana matetika fihaonana iraisampirenena, araka ny fanampim-panazavany. 

Nangonin-dRamano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT