Miha mitombo hatrany ny fahenoana fa maro amin’ireo mpiaradia akaiky amin’ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina, na ivelany na anaty fitondram-panjakana no mpanipy hoditr’akondro sy tsy mikatsaka afa-tsy tombontsoa manokana ho azy ireo.
Isan’ny nahabe ahiahy voalohany tamin’izany teo aloha teo ny minisitry ny asa vaventy, Hajo Andrianainarivelo sy ireo mpiaradia aminy. Ny valinteny izay nasetrin’ity farany ny mpanao gazety rahateo mbola sarin-teny raha nilaza fa ariany any anaty daba-pako ny azy ny hoditr’akondro fa tsy atsipy eny rehetra. Valinteny izay tsy tena hita loatra izay handraisana azy. Maha lasa saina koa ny fanambaran’ny filohan’ny oniversiten’I Mahajanga teo aloha, izay sady mpanao politika, ny Pr Rabesa Zafera Antoine, raha nilaza fa misy depiote miisa 2 voafidy tamin’ny lokon’ny fitondrana ankehitriny, tao amin’iny faritry Boeny iny, isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanalana azy teo amin’ny toerana maha filohan’ny oniversiten’I Mahajanga azy tamin’ny fotoan’androny. Marihina fa efa minisitry ny fampianarana ambony tamin’ny andron’ny tetezamita Rabesa Zafera Antoine. Raha ny fanazavany ihany koa dia tsy tena mpanaradia izao fitondrana izao ireo depiote 2 ireo fa ny tombontsoa manokany ihany no katsahiny ka tokony hahamailo ny filoham-pirenena. Hita ho miha malaza ho ratsy ekipa hatrany, araka izany, ny filoham-pirenena ka asa izay ho fiantraikan’izany ho an’ny firenena. Azo antenaina hitondra fampandrosoana ve?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.