Politique

Pro Ravalomanana Taorian’i Mahazoarivo, ho eny amin’ny SADC


  • Alatsinainy 25 Febroary 2013

Ny zoma lasa teo dia nihazo an’i Mahazoarivo ireo Pro Ravalomanana.

 Hanery ny praiminisitra hanatanteraka ny sori-dalana no tanjona tamin’izany, araka ny tatitr’ingahy Fanomezantsoa, iray amin’ireo mpitarika ny Pro Ravalomanana. Nisy ny fifanazavana teo amin’ny roa tonta. Tamin’izany no nilazan’ny Pro Ravalomanana fa raha hanatanteraka ny sori-dalana ny praiminisitra dia manohana azy izy ireo. Nambaran’ny praiminisitra Beriziky kosa fa efa miady ho amin’ny fampiharana ny sori-dalana ireo minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana rehefa misy filankevitry ny governemanta. Rehefa tonga anefa ny filankevitry ny minisitra, hoy ihany ny tatitra dia misy ny sakana. Nambaran’ny praiminisitra tamin’ireto Pro Ravalomanana ihany koa fa misy fotoana somary sahirana ny tenany manoloana ny fihetsiky ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Anisan’izany, ohatra, ny nahatongavan’ilay minisitry ny raharaham-bahiny tanzanianina farany teo. Nilaza ihany koa ny praiminisitra fa manomboka ilana antsojay ny tenany.

Mazava moa ny resaka ho an’ny Pro Ravalomanana fa raha ny fampiharana ny sori-dalana no ilana antsojay amin’ny lehiben’ny governemanta dia hanampy azy ity vondrona ity. Fantatra moa fa ny alarobia ho avy izao dia ho eny amin’ny birao fifandraisan’ny SADC ny Pro Ravalomanana. Ela loatra ny krizy, hoy i Fanomezantsoa ka mijaly ny vahoaka. Tetsy an-danin’izany dia niantso ny fiarahamonim-pirenena, ny fiangonana Ralaimampisainarinony Manoela manoloana ny tsy fanajana ny zon’olombelona. “Aiza ny fandraisanareo andraikitra ? Aiza ireo mpiaro ny zon’olombelona ? Aiza ny fiangonana toa mangina ? Marary ny Malagasy ka mila fampihavanana”, hoy ihany izy. Hisy valifaty manahirana eto raha izao no mitohy, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy izay nanambara fa tsy hisy fifidianana vanona eto raha tsy tonga eto i Marc Ravalomanana.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT