Taorian’ny fihaonana tamin’ny praiminisitra teny Mahazoarivo tamin’ny herinandro lasa dia nihazo ny foiben-toeran’ny Birao fifandraisan’ny SADC eto amintsika ny Pro Ravalomanana omaly.
Nanatitra taratasy no foto-dian’ireo vahoaka marobe nilanja sorabaventy nitaky tamin’ny SADC ny hampiharana ny sori-dalana amin’ny an-tsipirihany. Nohitsian’ny Pro-Ravalomanana tao anatin’izany taratasy naterina teny amin’ny Biraom-pifandraisan’ny SADC izany ny fitarazohana sy ny filalaovana ny famahana ny olan’i Madagasikara ataon’ity vondrona ity. Mitaky ny hanasaziana, eny hatramin’ny fampiasana hery ho an’izay sakana amin’ny fampiharana ny sori-dalana izay efa nivadika lalàna ihany koa ny Pro Ravalomanana.
Ankoatra izay dia mitaky ny tokony haneren’ny SADC ny fitondrana amin’izao hanaiky ny fampiharana izany sori-dalana izany, ny famoahana ireo haino aman-jery nakatona rehetra, ny fanalalahana ny asa fanaovan-gazety izay antoky ny demokrasia, ny famotsorana ireo gadra politika rehetra, indrindra ny fodian’ireo sesitany politika rehetra tsy misy fepetra, ao anatin’izany i Marc Ravalomanana sy ny ankohonany. Niantso ny vahoaka hampitsahatra ny fifandranitana sy ny fifandrafiana ny Pro Ravalomanana. Mila tanana, hoy i Liva, mpitondrateny ny fanarenana sy ny fananganana indray an’i Madagasikara. Araka ny fanazavana dia tsy hijanona eo ny hetsik’ity fikambanana ity fa hikely soroka amin’ny fampodiana ny filoha Ravalomanana faran’izay haingana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.