Politique

Pro-Rajoelina Be no nivadika


  • Talata 20 Martsa 2012

Vaky ny sambo. Manavotr’aina tsikelikely mitady izay hiantsampazana ankehitriny ireo mpomba sy nanohana an’i Andry Rajoelina teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny 2009.

 Leo, tofoka, voafitaka sy mahatsiaro ho natao tohatra fiakarana nahazoana seza fotsiny. Izay no ambentin-tenin’izy ireo. Latsa-panenenana ireto mpomba an-dRajoelina ireto ankehitriny, ary dia maro no niverin-dalana. Misy amin’izy ireo no tsy misalasala manatevin-daharana ny tolona ho amin’ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Efa tsikaritra izany tamin’ny 19 febroary 2011 raha nikasa hiverina an-tanindrazana Atoa Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany saingy nosakanan’ny FAT tamin’ny resaka NOTAM. Hita ho nitombo an-daharana ireo nisintaka tamin-dRavalomanana tamin’ny 2009 ireny, tapa-kevitra ny hiverina ary tazana teny Ivato hitsena ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny 21 janoary 2012, izay niaraha-nahalala fa nakaton’ny FAT ireo seranana lehibe rehetra teto Madagasikara, mba tsy hahafahan’ny fiaramanidina nitondra aza hipetraka. Vao mainka nampitombo ny hafanam-pon’ny Malagasy maro, ary koa nanamafy ny fanohanan’izy ireo an’i Marc Ravalomanana anefa iny tranga iny. Ary ankehitriny dia ny Vahoaka Malagasy mihitsy no mitaky ny hamelana azy malalaka hiverina an-tanindrazana.

Resy lahatra hatramin’ireo mpomba an-dRajoelina koa fa fanasoketana sy fankahalana fotsiny no nanonganana an’Atoa Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana fa izy no hany afaka hanavotra an’i Madagasikara amin’izao fahapotehana manjo azy izao. Efa voaporofo rahateo izany taorian’ny krizy 2002, fa manana ny hakingana sy fomba fiasa ahazoana vokatra haingana nefa maharitra Atoa Marc Ravalomanana, izy rahateo dia to teny eo imason’izao tontolo izao. Tsy mahagaga raha maro ankehitriny ireo mpomba an-dRajoelina tonga mandondom-baravarana, mangataka fihaonana mba hifampiresaka amin’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, sy hibaboka amin’izy ireo fa diso lalana ary mitady toky fa tsy hanao valifaty tokoa ny filoha Marc Ravalomanana rehefa tavaverina an-tanindrazana. Ireo “madinika” teny amin’ny 13 mey taloha moa dia betsaka no efa manome lamosina tanteraka an’i Andry Rajoelina ankehitriny.

Endrika isehoan’izany ny siotsioka re eny Antanimena sy Soarano ary Andohan’Analakely, sy amin’ny kartie hafa koa, rehefa mandalo amin’ireny toerana ireny ny kôrtezy mitondra azy. Vokany, mahalana ny fisehoana vahoaka ataon’i Andry Rajoelina, tsy eto an-drenivohitra fa hatrany amin’ny Faritra ihany koa. Be loatra ireo fampanantenana natao teny an-kianja ka hatrany an-dapa, hanatsarana ny fiainam-bahoaka, kinanjo vao mainka fahantrana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fananan’asa, tsy fandriampahalemana, kolikoly, resa-pianakaviana no manjaka.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT