Politique

Printsy Razafitsiandraofa Jean Brunelle Tsy mitsaha-mitontongana ny fiarahamonina Malagasy


  • Zoma 13 Aprily 2012

Miteraka fieritreretana lalina ho an’ireo Mpanjaka avy any amin’ny Foko Antanala amin’izao fotoana izao ny fitotongan’ny fiarahamonina Malagasy ka itadiavan’izy ireo vahaolana.

 Araka ny nambaran’ny Printsy Razafitsiandraofa Jean Brunelle, sekretera jeneraly eo anivon’ny fikambanana Zanaka Antanala na ZANTA dia hatramin’ny nisian’ny fanjanahantany no ho mankaty no nisian’izany. Nanaovan’izy ireo fikarohana manokana ny mikasika izany ka anisan’ny efa nahazoany porofo sy hiaraha-mahita rahateo ny fahapotehan’ny soatoavina malagasy toy ny fihavanana, ohatra. Ankehitriny ny vola no lasa ambony raha oharina amin’ny fihavanana raha ny fihavanana no tokony ho lohalaharana. Antony mampitotongana ny fiarahamonina Malagasy izany ho azy ireo. Tsy azo jerem-potsiny anefa izany mba hahafahana miaro ireo soatoavina kely sisa tsy potika sy tsy rava araka ny nambaran’ity Printsy ity ihany. Noho izay antony izay indrindra no manosika azy ireo hijoro sy hiteny fa tsy fitadiavana seza na fizahozahoana araka ny hiheveran’ny sasany azy, hoy ihany ity Printsy ity. Nambarany koa fa antony mahatonga ny fitotongan’ny fiarahamonina Malagasy ny tsy fanarahana ny rindram-piarahamonina nisy hatramin’izay. Tamin’ny faha Mpanjaka, hoy ny Printsy Razafitsiandraofa Jean Brunelle dia miainga hatrany amin’ny fakana ny hevitry ny Fokonolona no hahafahana manangana foto-drafitrasa iray, izany hoe : na inona na inona tetikasa hatao dia ilana ny fankatoavan’ny Fokonolona hatrany. Ilaina ny fiverenana amin’izany hoy ity Printsy ity raha tiana ny hirindran’ny fiaraha-monina Malagasy sy ny hisian’ny filaminana eto amintsika. Araka ny nambarany ihany moa dia tapitra ny 23 novambra 2011 lasa teo ny hery sy ny fanahy ratsy nentin’ireo mpanjanatany teto amintsika, ka noho izay antony izay indrindra no hanaovan’izy ireo fisasana mandritra ny fanokanana ilay tranoben’ny mpanjaka any amin’ny Foko Antanala ny 15 jona ho avy izao. Fisasana mba hahatonga saina ny Malagasy rehetra fa tsy hionona fotsiny amin’ny zava-misy na inona na inona mitranga.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT