Politique

Printsy Ravelonanosy Te hitondra an’i Madagasikara


  • Alatsinainy 30 Mey 2016

Nandritra ny lanonana natao teny amin’ny Rovan’Ilafy ny faran’ny herinandro teo no nanambaran’ny Printsy Ravelonanosy na Ravelonanosy Bruno izay ben’ny tanànan’Ilafy fa manam-paniriana hitondra an’i Madagasikara ny tenany mba hahafahany manasoa bebe kokoa hatrany ny vahoaka Malagasy.

 

 Tsy mbola nilaza kosa paikady na ny fomba hanatanterahany ny faniriany ity ben’ny tanànan’Ilafy voafidy tamin’ny alalan’ny HVM ity. Ny taona 2007 no voahosotra ho Printsy izy ary nanatrika ny lanonana tmin’izany ireo Ampanjaka manerana ny nosy. Efa kandida solombavambahoaka saingy tsy lany izy fa voafidy kosa rehefa nirotsaka kandida ben’ny tanàna. Nomarihany fa tahaka ny tongatonga ho azy teo amin’ny toerany avokoa ireo rehetra nitondra an’i Madagasikara hatramin’izay. Mila fiomanana ela anefa ny mitondra firenena, hoy izy. Aminy dia zava-dehibe ny fanomezana hasina ny fokonolona, izay rafi-piarahamonina sy rafi-pitantanana fototra eto Madagasikara. Nohamafisin ihany koa fa hahafahana mampandroso ny firenena ny fanandratana avo ny soatoavina. Nanolotra omby 3 nanatanterahana ny nofon-kena mitam-pihavanana teny Ilafy nandritra ny hetsika FAROY moa ny Printsy Ravelonanosy.

RTT


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT