Manamafy ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny Printsy Ravelonanosy,
izy izay taranaka faha-7 an’Andrianampoinimerina ary voahosotra ho Printsy ny taona 2007, tamin’ny alalan’ny lanonana ofisialy natrehan’ny mpitondra fanjakana tamin’izany fotoana sy ny solontenan’ireo Ampanjaka manerana ny nosy. Anisan’ireo olo-manan-kaja nanatrika ny hetsika FAROY teny amin’ny Rovan’Ilafy ny 27 mey lasa teo ny Printsy Ravelonanosy izay manana ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena ka nilazany fa raha anontaniana ny heviny ny mpanao politika rehetra hoe : te hahazo fitondrana sy te ho filoham-pirenena ve ianao, dia ho Eny avokoa ny valinteny. Na izany aza dia tsy mbola nisy ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy fa te ho filoha hitondra an’i Madagasikara ny Printsy Ravelonanosy. Ankehitriny dia manohana ny fitondrana mijoro ity Printsy ity sady miezaka hatrany manampy ny mpiara-belona aminy. Porofo iray tamin’izany ny fanolorany omby 3 amin’ny maha mponin’Ilafy azy mba hanaovana nofon-kena mitam-pihavanana teny amin’ny Rovan’Ilafy ny faran’ny herinandro teo.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.