Nanao tomban’ezaky ny zava-bitan’ny governemanta tarihany nandritra ity taona 2017 tetsy amin’ny DLC Anosy, omaly alakamisy 28 desambra ny praiministra Mahafaly Solonandrasana Olivier, raha nanasa ny mpanao gazety niara-nisakafo maraina taminy tao amin’io toerana io.
Fihaonana farany amin’ny mpanao gazety hataoko amin’ity taona ity izao, hoy izy, teo am-panombohana ka ambarako etoana eo amin’ny toe-draharaha ara-toekarena ankapobeny misy eto Madagasikara fa miverina sy mafy orina ny fifandraisantsika amin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany na dia be aza ny mpanatsatso. Anisan’ny nahatonga izany ny fametrahantsika ny fanjakana tsara tantana sy ny fametrahana ny mangarahara ary ny fijerena ny mahakasika ny vahoaka mivantana nataontsika izay arahan’ireo vahiny maso akaiky mba ahafahany manampy antsika, hoy izy. Efa nampiasaina tamin’ny fanatanterahana ny “équilibre budgétaire” sy ny fanavaovan-dalana samihafa RN 6, RN 13 ary tamin’ny fametrahana ny foibe famokaran-jiro teny Ambohimanambola ireo vola azo avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena, ny Vondrona Eoropeana, ny Banky Eoropeana ho amin’ny fampiasam-bola sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola hafa. Mbola ho tanterahina miaraka amion’ny JICA Japoney kosa ny fanitarana ny seranam-tsambon’i Toamasina. Saika nitondran’ny praiminisitra fiarovan-tena avokoa ny raharaha mavaivay eto amin’ny firenena ankehitriny na ny tsy fandriampahalemana izany nilazany fa ny RSS (Réforme du Sécteur Sécurité) ihany no vahaolana amin’io, na ny pesta nandravarava teto amintsika, na ny fanapahana karaman’ny mpiasam-panjakana “matotoa” izay tsy maintsy tohizana araka ny nangatahan’ireo mpamatsy vola, hoy izy nefa dia haverina kosa ny karaman’ireo tafiditra tamin’ny fahadisoana, ny raharaha Antsakabary sy ny fanomezana tany ireo vahiny sy fanomezana fahazoan-dalana hitrandraka azy ireo, ny kolikoly sy tsy maintsy hametrahana ny “Haute Cour de justice” hatramin’ny resaka fifidianana izay nanamafisany fa tsy maintsy hisy ny fifidianana filoham-pirenena amin’io 2018 io. Tsy izaho no nametra-tena ho praiministra sy ho minisitry ny Ati-tany, hoy i Solonandrasana Olivier fa ny miasa, miasa, miasa hatrany ho fanohanana ny filoha Rajaonarimampianina aloha izao ny tenako. Nahavariana kosa ny fitenenana nataon’ny praiministra hoe : “tsy misy fomba fampiakarana ny fari-piainan’ny Malagasy afa-tsy ny fanomezana asa azy izay toa azo tohizana avy hatrany amin’ny hoe : “fa tsy ny fanakatonana orinasa Malagasy ataon’ny minisitra sasantsasany”. Naverimberin’i Mahafaly Olivier omaly ny amin’ny tokony hitazonana ny fitoniana efa misy eto amintsika ankehitriny ka mba aoka izay ny fangatahana tsy misy farany etsy sy ireo fa andao hiara-hisalahy hibanjina ny tombontsoam-pirenena. Nilaza ho mahatanty ny fanakianana azy be dia be ankehitriny ny lehilahy ka nilazany fa taratry ny fisian’ny demokrasia eto Madagasikara izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.