Politique

Praiminisitra vaovao Tsara toerana i Tazafy Armand


  • Zoma 10 Febroary 2017

Loharanom-baovao vitsivitsy akaikin’ny mpitondra fanjakana ankehitriny no nahafantarana fa na tsy hisy aza ny fanovana governemanta ato ho ato dia manam-paniriana mafy ny hanolo praiminisitra ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

Manomboka mitombo mantsy, hoy ny loharanom-baovao, ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra, ary efa hita mibaribary fa nandamoka ilay lokalokan’ny PM Solonandrasana Mahafaly fa hoe governemanta hiasa mafy sy hiady na « Gouvernement de combat » no tantanany. Ny mifanohitra amin’izay aza no miseho dia governemantan’ny fanapotehana na « gouvernement du K.O » ary tsy afa-bela amin’izany ny lehibeny dia ny praiminisitra. Mandeha ny feo fa Atoa Tazafy Armand minisitry ny varotra amin’izao fotoana ary efa avy tale jeneralin’ny hetra no anisan’ireo olona akaiky an’i Hery Rajaonarimampianina hatrizay no ho lasa praiminisitra. Mahafeno ny fepetra nahazatra hatramin’izay izy. Avy any anindran-tany, azo atao hoe tsara resaka amin’ny mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola, teknisianina amin’ny resaka fampidiran-ketra ary mifankahazo tsara amin’ny filoham-pirenena. Raha ny resaka re avy amin’ireo etamazaoro politika isan-karazany dia ny hambom-pon’i Solonandrasana Mahafaly Olivier ho kandida filoham-pirenena amin’ny 2018 no nampihena ny fitokisan’ny filoham-pirenena azy. Tsy nahafa-po ihany koa tamin’ny ankapobeny ny asan’ity praiminisitra ity ary matetika izy no miteny zavatra tsy tanteraka na mifanohitra amin’ny zava-misy, toy ilay hoe : « manome baiko aho fa tsy tokony hisy delestazy intsony eto Antananarivo ». Maro ihany koa ny mimenomenona fa tsy mahay mandrindra ny asa ao anatin’ny governemanta ny praiminisitra ankehitriny ary tsy takona afenina ny tsy fifankahazoany amin’ireo minisitra HVM. Arahan’ny mpanara-baovao maso akaiky ny mety ho fivoaran’ity resaka fanoloana praiminisitra ity.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT