Lafin-javatra lehibe andrasan’ny vahoaka Malagasy amin’ny governemanta vaovao ny fifehezana ny tsy fandriampahalemana sy ny fampiharana ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana.
Sehatra roa izay tena mamparary sy manakana ny fampandrosoana ny fiarahamonina eto Madagasikara, araka ny fahitan’ny mpiara-belona. Mihevitra rahateo ny ankamaroan’ny olona fa afaka manatanteraka izany ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier. Tombondahiny ho azy mantsy ny nisahanany ny andraikitry ny minisitry ny Atitany sy ny Fanapariaham-pahefana. Ho mora amin’ity lehiben’ny governemanta fahatelon’ny fitondrana Rajaonarimampianina ity ny fifehezana sy ny fandaminana ireo tranga anisan’ny manapotika ny firenena ireo, araka ny fanehoan-kevitra heno eny rehetra eny. Takiana anefa ny fahavononana sy ny finiavana avy amin’ny mpitondra mahefa. Azo hanombohana izany sahady, ohatra, ny fanaraha-maso akaiky ny fampiharana ny lalàna amin’ireo fiara mampiasa fitaratra miloko matroka eto amin’ny tanàna, hoy ny mpanao politika Rakotomamonjy Phillipe.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.