Efa mandeha avokoa ankehitriny ny tombana samihafa eo amin’izay mety ho fanovana ny praiminisitra Malagasy sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta tarihany.
Tsy azo ihodivirana intsony ity resaka ity raha ny feo mandeha etsy sy eroa no raisina. Voalaza ombieny ombieny moa fa nisy tsy nahavita ny “mission’ nankinina taminy ireo minisitra am-perinasa ka mendrika ny hosoloina. Voalaza koa anefa, etsy an-kilan’izay, fa nisy ihany ireo nahavita zavatra tamin’ny ankapobeny ka mendrika ny hotazonina amin’ny toerany. Raha ny mikasika ny praiminisitra Ravelonarivo Jean kosa indray dia efa mazava, hoy ny tombantomban’ny mpanara-baovao politika ireny zava-nisy tamin’ny kabary nifandimbiasana teny Iavoloha tamin’ny 8 janoary ireny fa anisan’ireo mety halàna amin’ny toerany izy ary dia efa maro ny anarana efa mandehandeha etsy sy eroa. Singanina amin’ireny ny anaran-dRtoa Atallah Béatrice, Atoa Horace Constant, indrindra fa Atoa Eric Rajaonary izay heverin’ny maro fa tena tsara toerana tokoa. Eo aloha ny maha mpandraharaha malaza azy, tompon’ny Guanomad sady filoha am-perinasan’ny Fivmpama ary ny maha olom-baovao tsy voasaringotry ny politika politisianina azy. Raha izay zava-nisy efa natrehana tao anatin’ny taona maromaro nifandimby izay ve anefa dia azo heverina fa ampy azo hitokisana an’ity lehilahy ity fa hahatazona izany toeram-panapahana iray eto amin’ny firenena izany ? Ho hita eo !
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.