Politique

Praiminisitra tany Frantsa Tsy mazava ny anton-dia


  • Talata 01 Martsa 2016

Anio no hody an-tanindrazana ny praiminisitra Ravelonarivo Jean rehefa avy nanao fitsidihana tany Frantsa nandritra ny herinandro latsaka kely.

 

 Araka ny tatitra fanambarana ny akon’ny dian’ity lehiben’ny governemanta ity tany Frantsa dia tsy nisy ny fihaonany tamin’ny mpitondra fanjakana frantsay na dia minisitra iray aza. Mpandraharaha sy olon-tsotra misahana ny tontolon’ny toekarena sy ny sehatra ara-tsosialy ary ny mpitarika ny fikambanana miaro ny zon’olombelona sy mpamatsy rano fisotro madio no nihaona taminy. Nanambara moa ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny praiminisitra fa mbola hitondra fanampim-panazavana misimisy kokoa mikasika ny akon’ny diany tany Frantsa ny praiminisitra. Raha miresaka fivahinianana arak’asa any Frantsa mantsy, araka ny efa nampahafantarina ny vahoaka malagasy talohan’ny niaingany ny praiminisitra, dia mby tonga ao an-tsaina ny  famerenana amin’i Madagasikara ireo nosy malagasy ( îles éparses) sy ny fanomanana ny fandraisana ny fivoriana faratampon’ny frankofonia na ihany koa ny  momba ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina. Toa tsy misy resaka any anaty tatitra fampitam-baovao  anefa ny momba ireo, ka mampametra-panontaniana ihany hoe inona marina ary izany no tena anton-dian’ny jeneraly Ravelonarivo tany Frantsa ?


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT