Fanamby ary nilalokan’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier, ny hihaona isan-droa volana amin’ireo tompon-gazety hifanakalozan-kevitra, hanatsarana ny fifandraisana ary koa hifanoloran-kevitra hanatsarana ny tontolon’ny asa fampahalalam-baovao eto Madagasikara.
Tamin’ny 21 aprily 2016, tapabolana taorian’ny fanendrena azy ho praiminisitra lehiben’ny governemanta, ny fihaonana voalohany teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo. Tamin’izay no nilazan’i Mahafaly Olivier fa hapetraka ho fomba amam-panao io fihaonana isan-droa volana io, sy nanamafisa ny fa manaja ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra, izy rahateo tsy vahiny amin’io tontolon’ny serasera io. Telo volana izay no lasa, natao ririnin-dasa tsy tsaroana sa mba teny solafaka ny azy iny fa tsy ho tanterahina izany, hatreto mantsy tsy mbola misy fofompofona fihaonana manangasanga any. Sa tapaka tao anatin’ny fifandroritana tamin’ilay fehezan-dalana vaovao hifehy ny fampahalalam-baovao sy ny serasera eto Madagasikara ny fifampiresahana teo amin’ny praiminisitra sy ireo tompon-gazety ? Mety nahafahana nisoroka zavatra maro, tsy tonga tamin’ireny fifanenjanana eo amin’ny fanjakana sy ny mpanao gazety ireny, raha nisy ara-potoana ny fihaonana, nifanakalozan-kevitra, nialoha ny nandefasana iny fehezan-dalana mifehy ny serasera iny teny amin’ny Antenimiera roa tonta.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.