Omaly alakamisy 03 jolay tolakandro vao tanteraka ilay fifanatrehana mahazatra teo amin’ny governemanta notarihan’ny Praminisitra sy ireo solombavambahoaka. Solombavambahoaka 88 tamin’ireo zatra mamonjy fivoriana no nametraka fanontaniana ary nahazoam-baliny nivantana avy hatrany ny avy amin’ireo minisitera voakasika ka tonga nanatrika tao ny minisitra tompon’andraikitra.....
Ireo tena manahirana ny vahoaka
Saika nihodinkodina tamin’ny resaka tsy fandriampahalemana, resaka angovo, indrindra ny Jirama sy delestazy, ny fampianarana, fitsaboana, asa vaventy, atitany sy fifidianana, fanatanjahantena sy tanora ary fitantanam-bola tamin’ny ankapobeny ny fanontaniana napetrak’ireo solombavambahoaka ireo na dia samy nanasongadina ny faritra nisy azy avy aza. Azo ambara fa nifampiana-desona ireo solombavambahoaka sy ny praiminisitra raha ny marina. Nanaiky izany rahateo ity farany tamin’ny filazana fa tena mahay ny maharary ny vahoaka sy ny faritra misy azy tokoa ireo depiote nametraka fanontaniana rehetra ary dia tsy nitsahatra nandray an-tsoratra ny voalaza toy ireny tany an-dakilasy ireny izy. Efa elaela tokoa moa no nipetraka tany ampita tany ka namerin-desona sy namantatra tsara ny zava-misy eto Madagasikara notaterin’ireto solombavambahoaka ireto. Soso-kevitra amin’ny fandaminan-javatra amin’ny manaraka no nomen’ny praiminisitra Kolo Roger ny amin’ny hanomezana an-dry zareo herinandro mialoha ny fanontanian’ireo solombavambahoaka ankoatra ny fametrahana fanontaniana hafa mivantana fa hanao “Tableau informatique” mirakitra ny fangatahana sy filan’ny distrika rehetra izy hahazoana manara-maso haingana sy manome baiko izay tena tokony hanatanteraka ny asa.
Hopitaly isaky ny distrika
Vonona ny hiara-kiasa aminareo izahay, hoy izy, mba hampandrosoana haingana ity Madagasikara ity. Avy eo moa dia nivadika kasikety ho minisitry ny fahasalamana ny praiminisitra ka nilaza fa havadika ho hopitaly hanana “spécialisation” ireo hopitaly manara-penitra natsangana faha tetezamita (ohatra ho fitsaboana manokana ny Drepanositose ny any Fianarantsoa …). Hohatsaraina koa ny “Centre Hospitalier Universitaire” miisa 16. Hahazo volabe hananganana hopitaly lehibe maromaro isika nefa dia hopitaly madinika isaky ny distrika no hatsangantsika amin’izany, hoy ny minisitry ny fahasalamana, ary asiana “bloc opératoire” sy “radiographie”. Na dia vao roa volana aza izahay no teo, hoy izy, dia mba nanao zavatra ihany ka efa mitohy izao ny fizarana fanafody eny amin’ny tobim-pahasalamana isan-tokony, ny fanaovam-baksiny ny reny sy ny zaza, fijerena manokana ny sakafon’ny zaza marefo na ara-kalitao na ara-fahabetsahana. Ny vaovao farany nambaran’ny minisitry ny fahasalamana dia ny fahazoana “Poste budgtaire” 449 hampidirana ho mpiasam-panjakana an’ireo “paramédicaux”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.