Politique

Praiminisitra Solonandrasana Tratry ny vela-pandrika


  • Alakamisy 08 Febroary 2018

Nifandimby naneho hevitra omaly alarobia ny praiminisitra izay mizaha fahasalamana atsy amin’ny nosy La Réunion sy ny tale kabinetra sivily eo anivon’ny primatiora Atoa Constant Rakototafika fa tsy nisy praiminisitra nametra-pialana na noesorina an-kolaka izany.

  Hiverina an-tanindrazana anio tolakandro i Solonandrasana Mahafaly Olivier ka handray ny asany tahaka ny mahazatra, hoy ny fanazavana avy eny Mahazoarivo. Ny tena mahagaga amin’ity resaka ity dia nahoana no didim-panjakana navoakan’ny fiadidiana ny repoblika ary nosoniavin’ny filoham-pirenena no nanendrena ny praiminisitra mpisolo toerana Ramarcel Benjamina Ramanantsoa, ary milaza fa namita iraka any ivelany ny praiminisitra, nanomboka ny 5 febroary 2018 ? Tsy misy fetrany koa, araka  ny hita ao amin’ny andininy voalohany amin’ilay didim-panjakana. Hatrizay anefa fanambarana tsotra no atao ary ny samy ao anaty governemanta no mifandamina ny amin’izay hisolo toerana ny mandeha mamita iraka fa tsy misy idirana fanambarana ofisialy avy amin’ny fiadidiana ny repoblika mihitsy. Mazava fa nidi-kizo indray ny filoha Rajaonarimampianina ary nisy olona nampijabaka azy tao. Tsy vitana naoty tsotsotra na teny am-bava maivamaivana mantsy ny fanafoanana ilay didim-panjakana laharana 2018-097 navoaka ny 2 febroary teo fa tsy maintsy hisy didim-panjakana iray hafa, izay vao afaka miverina miasa ny praiminisitra Solonandrasana, raha ny tena izy. Tsy lavitra fa tsy maintsy olona akaiky ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra no ao ambadik’izao kapa vava ranjo an-kolaka  sy vela-pandrika atao amin’i Solonandrasana Mahafaly Olivier izao ka mety tanjona ny hahaleo monina azy ka hametrahany fialana avy eo. Mibaribary fa tena misy ny ady an-trano amin’ny samy mpitondra fanjakana ambony ary mifamely ny samy HVM satria mety samy te ho lohany angamba e !


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT