Politique

Praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Niantso fiaraha-miasa tamin’ny depiote


  • Alarobia 22 Jona 2016

Tena niezaka mafy izahay tao anatin’ny 2 volana mba hanatratra ny tanjona napetraka momba ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier omaly teny amin’ny lapan’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza.

 

 Tsy mora ny asa miandry ary tena ilaina ny firaisankina, hoy izy. Niantso fiaraha-miasa amin’ny solombavambahoaka ny praiminisitra. Raisinay avokoa ny soso-kevitra rehetra avy aminareo, hoy izy mba hahafahantsika miroso hatrany. Tetsy an-kilan’izay dia nilamindamina ihany koa ry zareo solombavambahoaka, tsy nisy ny fanakianana mavaivay fa toa nanolo-tanana hiara-kiasa ny ankamaroan’ireo nandray fitenenana, ankoatra ny fisaorana sy fandokadokafana ary ny fangatahana zavatra atao any amin’ny distrika naha voafidy ny depiote tsirairay. Azo antoka, raha araka ny zavatra hita omaly, fa ho lany tsy misy adihevitra be ny volavolan-dalàm-panitsiana ny tetibolam-panjakana 2016. Ny hany andrasana sisa dia ilay volavolan-dalàna mifehy ny fifandraisana izay tsy maintsy aorian’ny fetim-pirenena no mety handinihana azy. Hifarana ny 1 jolay izao ity fivoriana ara-potoana voalohany ity, ary efa mandeha ny siosion-dresaka fa hisy ny fivoriana tsy ara-potoana.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT