Elaela no tsy nahenoana izany antoko Miombona ezaka na AME izany teo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara. Taorian’ny fodiamandrin’ny filohan’ny antoko teo aloha, Clement Ravalison, dia naneho hevitra omaly ny filoha vaovao, Ramilina.
Miaraka amin’ny mpanohitra izao fitondrana izao izahay, hoy ny tenany, satria iaraha-mahita ny zava-misy. Manjaka ny tsy fandriampahalemana ary esorina amin’ny taniny ny Malagasy. Tafahoatra amin’ny fangalaram-bato ity fitondrana ity satria efa hita ho mipetrapetraka sahady ny paikady handany azy amin’ny 2018. Na ireo milaza azy ho mpanohitra aza misy mahita mankeny atsimondrano. Mba tsy hisian’ny ra mandriaka dia takianay ny mangarahara, hoy izy. Manana ny paikadinay izahay saingy misoroka ny fandatsahan-dra. Novantaniny moa ny resaka fa tanjona amin’ny famindrana toerana ny minisitry ny fambolena teo aloha, Rivo Rakotovao, ho loholona dia ny handimbiasany ny toeran’ny filohan’ny antenimierandoholona amin’izao, Honoré Rakotomanana. Mikasika ilay dinika nasionaly ho fikitihana ny lalam-panorenana kosa izay nolazain’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana ho tontosaina ao amin’ny Carlton Anosy amin’io herinandro io dia samy zanak’i Sofia izaho sy ny Praiminisitra, hoy izy, ary mbola tsy nahita praiministra mahay mangala-bato toy io aho. Mody misafosafo izy mialohan’ny hikapohana ary tsy kisendrasendra no nametrahana azy ho minisitry ny atitany, hoy hatrany Ramilina filohan’ny antoko AME.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.