Politique

Praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Efa manisa andro sisa…


  • Alakamisy 11 Janoary 2018

Mivoaka indray ny resaka momba ny fanalana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Amin’ny herinandro ambony indray no fotoana voalaza fa hanesorana azy raha ny loharanom-baovao.

Efa ela no saika hanesorana ity praiminisitra ity, ary efa im-betsaka mihitsy saingy tsy nety tanteraka. Ny volana desambra nivalona teo no efa nivoahan’ny vaovao fa fotoana vitsy sisa no hijanonany eny Iavoloha, saingy mbola nahadingana aty amin’ny taona 2018 aloha. Miverina indray anefa ity resaka ity, ka dia andrasana indray izay hiseho. Hisy ato ho ato ny fivoriana tsy ara-potoan’ny antenimieram-pirenena, saingy tsy manomboka akory izany, dia efa nivoaka nialoha indray ny resaka fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Tsy hay aloha na amin’ny alalan’io na hoesorina manta fotsiny amin’izao ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay efa ela no ratsy toerana. Te hanadio ny ao anatiny sy hanova paikady ny HVM, indrindra manoloana ny tsy fahombiazan’ilay “gouvernemant de combat”, izay toa anarany fotsiny, ka nanala baraka azy tanteraka. Te hanarina sy hamindra haingana mba hanakona ny tsy fahombiazany ny fitondrana, izay mikatsaka mafy ny mbola hijanona eo amin’ny fahefana. Isan’ny nanaratsy endrika azy ny praiminisitra ankehitriny, izay voatonona tao anatin’ny raharaha kolikoly nahasaringotra an’i Claudine Razaimamonjy. Raha ny resaka mivoaka hatrany ihany koa dia misy ny ady mangatsiaka eo amin’ny samy HVM, ka voalaza fa somary ratsiratsy fifandraisana eo aminy sy i Rivo Rakotovao. Ity farany amin’izao fotoana izao no tsikaritra ho mpandidy sy mpanapaka, ary manomana ny paikady rehetra hoenti-mampandresy ny HVM amin’ny fifidianana. Anisan’izany ny fanadiovana ny fitondrana, mba hanarontsaronana ireo efa laza ratsy hatrizay. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny toromarika sy ny teny midina ho an’ny manampahefana isan-tsokajiny eny ifotony hampandaniana ny HVM. Miandry izay hiseho momba ity resaka fanesorana ny praiminisitra ity indray izany ny rehetra.

Toky

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT