Politique

Praiminisitra Solonandrasana Efa miala bala sahady


  • Talata 10 Mey 2016

Mbola manavao ny asany tokoa ve ? Nanaboribory resaka fotsiny nandritra ny fanatrehany ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza omaly alatsinainy raha namelabelatra ny fomba hanatanterahany ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana.

 

Tao moa ireo depiote nisolelaka fotsiny ka milaza fa niova fo ka lasa manohana raha toa ka nanakiana teo aloha. Teo koa ireo nitondra fanamarihana sy nametraka fanontaniana ny amin’ny zavatra manjavozavo ao anatin’ilay fomba hanatanterahana ny asa. Ho an’ny resaka fampihavanam-pirenena araka ny fanontanian’ny vondrona parlemantera TIM, ohatra, dia nambaran’ny praiminisitra fa ho avy ny volavolan-dalàna hampandehanana ny FFM hatolotra ny parlemanta. Tsy fantatra hoe rahoviana na manao ahoana izy io ? Momba ny resaka fanamboaran-dalana, dia betsaka ny fandaharan’asa fa amin’ny manaraka resahantsika, hoy ny praiminisitra. Ho an’ny resaka tsy filaminana dia hisy ny fametrahana mpitandro ny filaminana sy fitaovana any amin’ireo faritra mena, hoy ny praiminisitra saingy tsy misy ny fanazavana matotra ny amin’ny fe-potoana sy ny fomba hanatanterahana azy fa dia ho hita eo amin’ny manaraka. Ho an’ny Air Madagascar dia nitondra valin-kafatra avy hatrany ny praiminisitra ary nanamafy fa ao anatin’ny drafi-panarenana ny fandroahana mpiasa sy fampihenana ny fandaniana na tombontsoa ho an’ny Airmad. Mety tsy hahafaly olona izany, hoy ny praiminisitra fa izay aloha no izy. Tsy hahazo rariny izany eto ry Rado Rabarilala sy ny ekipany. Nahagaga fa goavambe ny olana mianjady amin’ny firenena kanefa dia fohy ny fifanazavana teo amin’ny praiminisitra sy ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza omaly.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT