Politique

Praiminisitra Solonandrasana Efa manao izay hanesorana azy


  • Zoma 18 Aogositra 2017

Fahafaham-baraka tsy roa aman-tany ho an’ny praiminisitra Mahafaly Solondrasana Olivier sy ny fanjakana Rajaonarimampianina manontolo ny nivoahan’ilay taratasy,

izay mirakitra ny lisitr’ireo delegasionina ofisialy nihazo an’i Rwanda sy Afrika Atsimo hiatrika ny fivoriana faha-37 eo anivon’ny vondrona SADC. Tsiahivina fa 9 ankoatra ny praiminisitra ny olona voasoratra ao anatin’ny taratasim-panjakana nalefa tamin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, ka ny 4 tamin’ireo dia ny vady aman-janany. Tsy niandry ela ny fiadidian’ny primatiora, ka niezaka namono afo haingana tamin’ny alalan’ny seraseran’ity andrim-panjakana ity. Noboriboriana fotsiny hoe mianto-tena ny zanaky ny praiminisitra fa tsy iantohan’ny fanjakana Malagasy velively. Nambara fa fombafomba fotsiny sy resaka fitandroana ny filaminan’ny delegasionina manokana no nandefasana ilay taratasy mirakitra ny lisitra tany amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny. Afaka nandeha mitokana ireo zanany saingy inona no nampidirana azy tany anatin’ny lisitr’ireo delegasionina ofisialy raha izay tokoa no marina ? Rehefa misy filankevitry ny minisitra na filankevitry ny governemanta izany dia afaka manatrika ao ihany koa ireo satria zanaky ny Praiminisitra Mahafaly Olivier ? Tsy fahaizana sa lohamboto  ? Praiminisitra ve tsy hahalala ny fenitra tokony harahina amin’ny zavatra tahaka ireny ? Sady manaotao foana no tsy misy etika amin’ny zavatra atao fa raisina ho toy ny fananana manokana ny fanjakana, ka atao amin’izay tiana hanaovana azy. Izany no praiminisitra Malagasy. Tsy vao izao no nahenoana raharaha maloto nahenoana ny anarany, saingy tsy mety voakitika eo amin’ny toerany mandrak’androany na dia efa ela ihany aza ny nivoahan’ny vaovao amin’ny hanesorana azy satria sady tompondakan’ny fanaovana afera no manala baraka ny fanjakana. Raha ny loharanom-baovao iray, dia efa maro no tezitra aminy. Ny fiandohan’ny herinandro no nandrenesana fa tsy maintsy hiova ny governemanta. Na inona na inona fanazavana sy fanadiovan-tena mbola hataon’ny praiminisitra sy ny mpitondra namany, dia tsy hisy Malagasy hanome rariny ny fanjakazakan’ny mpitondra amin’ny filibana amin’ny volam-panjakana, ny fanaovana kolikoly,… afa tsy ireo marivo salosana sy maty eritreritra, ka voavidiny ambongadiny. Vita iny ny famonoana afo andiany voalohany, ka tsy hay na hitsangana hitety haino aman-jery indray ny mpikarama an’ady maro na ahoana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT