Politique

Praiminisitra Omer Beriziky Tsy faly tamin’ny nitondrana fiaramanidina manokana tany Antsohihy


  • Alarobia 22 Febroary 2012

Resabe nandritra ny filankevitry ny governemanta notanterahina omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny mikasika ilay fanendrena PDS tamina Kaominina efatra tany amin’ny Distrikan’Antsohihy.

 Tao anatin’ny 24ora monja moa dia nofoanana ilay fanendrena, fa ho tsy ara-dalàna ary misy fisandohana andraikitra. Nohenjehin’ny minisitry ny atitany Florent Rakotoarisoa ho mitsabaka andraikitra mihitsy ny minisitry ny fanapariaham-pahefana Ruffine Tsiranana. Ity farany no nametraka tamin’ny toerany ireo PDS voatendry, araka ny taratasy fanendrena nosoniavin’ny Praiminisitra.

Nampahatsiahy ny minisitra Ruffine Tsiranana fa tsy zava-baovao io, satria efa nisy fametrahana PDS tany Toliara niainga avy amin’ny taratasy nosoniavin’ny Praiminisitra Camille Vital, tamin’ny janoary 2011.Tsy nisy tabataba tamin’izany fotoana izany. Tanànako any Antsohihy, fantatro ny zava-misy any. Ny vahoaka rahateo efa mikaikaika amin’ny ataon’ireo Ben’ny tanàna nosoloina ireo. Araka ny fantatra dia niezaka nandamina ny praiminisitra, amin’ny maha demokraty azy. Na izany aza dia nambarany fa haverina hodinihina ireo rijan-teny mikasika ny fanendrena PDS eny amin’ny Kaominina. Nambarany koa fa raharaha azo nalamina tao anatiny iny, fa tsy voatery nentina tamin’ny haino aman-jery toy ireny.

Fa araka ny fantatra dia naneho tsy fahafaliany koa ny Praiminisitra Beriziky tamin’ny nampiasana fiaramanidina manokana, nataon’ireo minisitra telo dia i Hajo Andrianainarivelo, Rakotoarisoa Florent ary Rahajason Harry Laurent namita iraka tany Antsohihy namerina tamin’ny toerany ireo Ben’ny tanàna nosoloina PDS. Fandatsana ny Malagasy efa trotraky fahantrana ireny, hoy ny Praiminisitra. I Hajo Andrianainarivelo no niezaka nanazava fa tsy misy vola miala amin’ny governemanta ny fampiasana ilay fiaramanidina manokana, ka tsy tokony hampanahy ny amin’izany. Fomba fijerinao izany, hoy ny Praiminisitra, fa mety ho hafa no fandraisan’ny olona azy. Taratra amin’io fa dia miezaka mifehy ireo mpikambana ao amin’ny governemantany ny Praiminisitra Beriziky.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT