Nanao jery todika momba ny asa vita tamin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny fampiharana ny fanavaozana rehetra napetraka,
araka ny vinan’ny Filoham-pirenena sy ny fampantenana nataony tamin’ny vahoaka Malagasy, ny praiminisitra Ntsay Christian teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo ny talata 24 desambra lasa teo. Nandritra ny lahateniny dia nambarany fa mila atao mifanaraka ny takian’ny vaninandro izao ny rafitra misy eto amintsika. Ny filohan’ny repoblika mitondra vina ka ny governemanta no mamadika azy ho politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Notanterahina izany ka nentina teo amin’ny antenimiera roa tonta. Novana ny tetibolam-panjakana fa tsy mifanaraka amin’ny PGE. Ny zava-dehibe faharoa dia ny fanavaozana seha-pihariana. Tsy maintsy atao mba hahafahana manatsara ireo sehatra ireo, hoy izy. Nomarihany hatrany fa ny firenena eran-tany dia tsy maintsy manao fanavaozana toy izany. Raha ny lalàna teto amin’ny firenena dia efa tamin’ny 30 taona sy 50 taona lasa kanefa tsy mifanentana amin’ny zavatra takiana sy ny vina hampandrosoana ny firenena. Izay no antony tsy maintsy hirosoana amin’ny fanavaozana maro. Rehefa manomboka ny fe-potoam-piasana iray dia miroso amin’ny fanavaozavana. Raha zohina izay dia tsy hiandry ela ny firosoana amin’ny fanavaozana ny lalàmpanorenana, ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2020 rahateo dia efa mamaritra izany. Marihina hatrany fa ny filoham-pirenena amin’izao no rain’ny Repoblika fahefatra tamin’ny taona 2010 ka antenaina mba tsy ho kitoatoa ny fandrafetana izany ary tsy hohitsakitsahina toy ny fanaony amin’izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.