Politique

Praiminisitra Ntsay Christian “Tena mila fanavaozana ny tafika Malagasy”


  • Talata 21 Janoary 2020

Tonga nanokatra ny atrikasa sy dinik’asa entina manatanteraka ny rindran-damina amin'ny fanavaozana ny rafitry ny Tafika tanterahin’ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon’ny tafika Malagasy,

 

 

 teny amin’ny CCI Ivato ny praiminisitra Ntsay Christian. Tsy maintsy haperaka ny rindran-damina vaovao mifanaraka amin’ny filan’ny firenena eo anivon’ny tafika Malagasy, izay mifanaraka amin’ny vinan’ny filoha, hoy izy. Nambarany fa : “Tsy misy fampandrosoana azo eritreretina eto amin’ny firenena raha tsy mipetraka ny filaminana”. Miankina amin’ny fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana isan-tsokajiny, indrindra ny eny ifotony anefa io. Noraisiny ho ohatra ny fiarovana ny fari-dranomasina sy ny sisin-dranomasin’i Madagasikara, efa miroso amin’ny fampiroboroboana ny toekarena manga isika amin’izao fotoana izao. Tokony hapetraka noho izany ny paikady mazava sy ny toerana tokony hasiana ny tobin’ny tafika an-dranomasina mba ho tena hahafehezana ny fiarovana. Nankasitrahany ny ezaka tamin’ny 2019 : fiaraha-miasa sy ny fiarahana nisalahy tamin’ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena ho famahana ny olana amin’ny fandriampahalemana, izay manaporofo ny fifamenoana andraikitra, nanampy ny vahoaka nandritra ireny voina, toy ny hain-trano sy ny tondra-drano, izay niseho teto tamin’ny alalan’ny « actions civilo-militaire. “Tokony ho resy lahatra amin’ny anaovana ny fanavaozana ny rehetra, satria sarotra ny mampiasa ny rafitra izay napetraka tany amin’ny taona 1960, kanefa tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena amin’ny zotram-pampandrosoana apetraka amin’izao fotoana izao”, hoy hatrany ny tenany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT