Aiza no toa mangingina tsy andresam-peo firy ny praiminisitra Ntsay Christian amin’izao fotoana izao ?
Toa ny filoham-pirenena hatrany no hita sy re ary miezaka manao serasera fa miasa. Henjana ny olana ara-tsosialy miseho eto amin’izao kanefa toa mangina ny tenany. Iray volana latsaka izay no nisy mihitsy ny vava nataona depiote miaraka amin’ny fitondrana iray toa nanakiana azy mafy amin’ny fahanginany, ka niarovan’io mafy ny filoha. Ny resaka tetikasa Tanà-masoandro moa, dia na tamin’ireny gidragidra be ireny aza toa tsy nandrenesam-peo izy. Ny praiminisitra anefa no lohalaharana amin’ny fanatanterahana ny vina sy ny programan’asan’ny filoha, ka goavana indrindra io Tanà-masoandro io. Misy afera sy fifandraisana tsy milamina ao, rehefa halalinina. Vao mainka niteraka adihevitra ny fandehanany tatsy La Réunion nihaona tamin’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron nandritra ilay nilazan’ity farany fa an’i Frantsa ny Nosy Eparsa, raha toa ka tany Rosia ny filoha. Vao andro vitsy lasa indray izay no naneho ny mpitsara Faniry Ernaivo tamin’ny fanazavany sy fiarovan-tenany tamin’ny fandroahana azy tsy ho mpitsara, fa nahazo loharanom-baovao mikasika ny fanangonan-tsonian’ny depiote IRD hanangonana ny Praiminisitra. Tsy nisy aloha ny fandisoana nataon’ireo voatonona hatreto. Taorian’ny tolon’ny 13 mey sy ny raharahan’ny 21 aprily 2018 niteraka faharavan’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier ny taona 2018 rahateo, dia adihevitra be tamin’ny MAPAR ny fametrahana an’i Ntsay Christian satria sady tsy nitatatra no tsy nively farihy, hoy ny sasany. Nisy ireo olon’ny MAPAR tsy faly sy nanohy ny hetsika teny an-kianja, saingy nanaiky tsy fidiny avy eo. Mbola adihevitra indray tamin’ny fikarohan’ny filoha Rajoelina izay ho praiminisitra tamin’ny volana janoary, ary nisy hatrany ny tsy faly saingy tsy afa-nanoatra. Toa samy mangina sy maka ho azy ankehitriny, kanefa heverina fa hipoaka tsy ho ela io raharaha io fa toa mbola misoko mangina ao aloha. Sarotra ny toe-draharaha ary ao anatin’ny fotoam-pifidianana isika amin’izao ka tsy maintsy ezahina tandrovina aloha ny afo politika sao vao mainka mety hanimba sy hanaratsy endrika ny fitondram-panjakana. Ny olana sy endrika krizy ara-tsosialy aza efa mafy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.