Mila fehezina faran’izay haingana io vidim-piainana midangana be io, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian nandritra ny famindram-pahefana natao tetsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny omaly.
Fanararaotana no betsaka amin`izao, indrindra tamin’ny nisian’ny rotsak’orana be ka tsy maintsy misy ny fandraisana andraikitra haingana amin`ny ministera rehetra tsy ankanavaka. Mikaikaika ny vahoaka ka tsy tokony hitaredretra intsony ny tompon’andraikitra rehetra hamerina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro, indrindra io vidim-piainana midangana io, hoy izy
Azo antoka ireo minisitra vaovao
Mifamatotra amin’ny fampandrosoana tanteraka ny antony nanendrena ireo minisitra vaovao ireo, hoy ny praiminisitra. Manampahaizana izy ireo ary manana ny traikefa sy ny fahaiza-manao entina hampandroso ny firenena. Tsy maintsy hitodika amin’izany fifehezana vidim-piainana izany avokoa ny rehetra ary tompon’andraikitra manana ny anjara toerana lehibe ny minisitry ny raharaham-bahiny vaovao satria miankina aminy ihany koa ny hampandeha tsara ny minisitera rehetra. Ankoatr’izay moa dia nanambara ny lehiben’ny governemanta fa tsy maintsy harenina sy hamboarina ihany ireo fotodrafitrasa simban’ny rotsak’orana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.