Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Haverina haingana ny fandriampahalemana


  • Alatsinainy 08 Aprily 2019

Nijery ifotony ny olana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy, indrindra amin’ny fisian’ny tsy fandriampahalemana, namonjy ny tany Ambatofinandrahana,

 Manandriana ary izao eto ambositra izao izahay, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian ny sabotsy 6 aprily teo. Toromarika mazava no napetraka dia ny famerenana ao anatin’ny fotoana fohy ny filaminana sy ny fandriampahalemana, izay mifanaraka amin’ny velirano nataon’ny filohan’ny repoblika. Nisy ny fiaraha-midinika natao tamin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ireo toerana voalaza ireo, ka ao ireo nandraisana fanapahan-kevitra avy hatrany, ary misy kosa ireo mbola hodinihina. Voakasik’izany ny fanatevenana ny isan’ireo mpitandro ny filaminana. Mialoha izay dia hisy ny fandaminana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo samy mpitandro ny filaminana mba hamaritana izay toerana tokony hisy azy ireo. Hisy ihany koa ny fanadihadiana atao momba ny tambajotran’olon-dratsy na iza izy ireo na iza, ary ny fandinihana ny toerana tokony hametrahana ny toby manokana. Nanome toromarika ireo tompon’andraiki-panjakana samihafa. Tsy hiandry ela fa hotanterahina avy hatrany ny toromarika amin’ny fahafahana ananantsika ka hahitana vokatsoa ao anatin’ny fohy ezaka, hoy ny fifanomezan-toky.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT