Politique

Praiminisitra mivady Malok’endrika, fa nahoana ?


  • Alakamisy 14 Aprily 2016

Tena vaventy sy goavana ny praiminisitra Solonandrasana fony izy minisitry ny atitany sy ny fanapariaham-pahefana. Taorian’ny nankarary azy sy nandidina azy dia hita ho tena nihen-danja be izy.

 

 Raha ny tomban’ny mpanara-baovao sy ny dokotera nanontaniana dia manodidina ny 100 kilao i Solonandrasana Mahafaly mialoha ny nankarary azy. Ankehitriny, farafahakeliny very 15 kilao izy. Midika izany fa tena nikiky azy mafy ny aretina nahazo azy. Na ny endriny hita teny Mahazoarivo omaly aza dia somary maloka sy mbola reradreraka izany. Tsy tena tazana teny amin’ny endrik’i Solonandrasana Mahafaly Olivier ny hafaliana na dia tena fotoan-dehibe tokoa ho azy sy ny fianakaviany aza iny omaly nandraisany tamin’ny fomba ofisialy ny toeran’ny praiminisitra iny. Na ramatoa vadiny aza dia tsikaritra ho  teo ho eo ihany fa tsy dia tena faly loatra. Nisy antony manokana ve ny naha malok’endrika ny praiminisitra mivady sa efa tahaka izay mihitsy ry zareo ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT