Hatomboka amin'ny volana janoary ho avy izao ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-6 na RN6 mampitohy an'Ambanja amin'i Diego, ary amin'ny volana martsa 2018 no hanombohana ny fandrakofana ho tara ny lalam-pirenena RN5a mampitohy an'Ambilobe amin'i Vohémar.
Anisan’ny fampanantenana nataon'ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier tamin'ny lanonam-pitokanana ny Biraon'ny CNaPS tany Ambilobe ny herinandro lasa teo ireo. Vao resaka lalana dia tsaroana ny zava-bitan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay notsatsoina fa ny lalana tsy azo hanina. Raikitra kosa ny fampanantenan’ny fanjakana HVM, izay efa zatra mampanantena sy mampandry adrisa hatrany. Tsy afaka an-tsain’ny maro ilay hoe : telo volana dia mivaha ny delestazy. Ity indray dia ampanantenaina fa hatao ny lalana amin’ny 2018. Nahoana no hiandrasana 2018 vao hatao ? Propagandy no tena tanjona ! Na halefa aza ny asa dia hampifilafilaina na hatao izay hampitarazoka azy. Hanaovana jono amin’ny vahoaka indray hoe : mikatso sy tsy ho vita io raha vao miova ny fanjakana, ka tsy mila mifidy ny HVM. Toa efa toy ny propagandy rahateo no natao tany an-toerana satria minisitra maromaro no niara-nirohotra tany. Miandry indray ny rehetra, raha ho tanteraka ny ronono an-tavy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.