Tao Toamasina no nanao veloma ny taona sy nandray ny taona vaovao 2012, ny praimisitra Jean Omer Beriziky sy ny fianakaviany.
Ny fiangonana Mb Thérèse Salazamay no nivavahany sy ireo minisitra tafara-dia taminy, dia Rtoa Ndahimananjara Johanita (fahasalamana) sy Atoa Razafindehibe Etienne Hilaire (fampianarana ambony sy fikarohana siantifika) ary Atoa Randriamiandrisoa Joseph (tontolo iainana sy ny ala), teo koa ireo olom-panjakan’ny Faritra Atsinanana. Omaly tolakandro vao niala tao Toamasina ny praiminisitra hamonjy ny asany eny Mahazoarivo amin´ny fanomanana ny filankevitry ny governemanta voalohany amin´ity taona 2012 ity, izay hatao anio talata. Nohararaotin´ny praiminisitra tamin´izao diany tao Toamasina izao, ny famaliany ny fanasan´ny Tetikasa Ambatovy azy, efa nanomboka ny 03 desambra 2011 nefa nihemotra lava.
Nitsidika ireo toeram-panofanana tanora sy ny orinasa goavana ao Tsararivotra Tanandava izy. Nambaran´ny praiminisitra fa anisan’ny orinasa goavana nametraka ny mangarahara amin´ny fitantanany ny tetikasa sy ny fanampiana ny lafiny sosialy ary ny mpiasa ao aminy ny Ambatovy. Hanomboka hihodina amin´izay ny tetikasa ato ho ato, midika izany fa manomboka hampiditra volabe ho an´ny fanjakana. Nolazainy koa fa afa-po tamin´ny zava-nisy sy ny zavatra hitany ny tenany.
Taorian´izay dia nitsidika ny oniversiten´i Toamasina ny praiminisitra sy ireo delegasiona notarihiny. Nambarany fa nanampy betsaka tamin´izao fotodrafitrasa izao ny tetikasa Ambatovy. Noho ny hetraketraky ny mpianatra mitokona mitoraka ny fiaran´ny tetikasa sy manimba ny fananany ihany koa, dia nampiantona ny fanampiany aloha ny tetikasa Ambatovy, nefa efa hiverina izany manomboka izao. Nisy koa ny fitsidihany ny Lapan´ny tanàna izay misedra olana ny famitana azy noho ny resa-bola. Ankoatra izay, tsy nahazo niatrika ny fihaonana teo amin´ny praiminisitra sy ny tale jeneralin´ny tetikasa Ambatovy, ny lehiben´ny Faritra Atsinanana Mahavimbina Alain, izay tompon´andraikitra voalohany any anivon´ny Faritra. Tsy voalohany izao fa efa matetika sy efa mpiverimberina ihany koa, ka lasa nahazatra satria tsy misy miteny ny tsy fetezany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.