Politique

Praiminisitra iraisana Mamy Rakotoarivelo sa Pierrot Rajaonarivelo ?


  • Alarobia 21 Septambra 2011

Ny Praiminisitra sy ny minisitry ny fitsarana no mety tsy hiverina amin’ny toerany intsony. Izay ny tombantomban’ny mpanara-baovao.

 Tsy mifanalavitra amin’izany ihany koa ny tsiliantsofina re eo amin’ny tontolo politika. Ny momba ny praiminisitra aloha dia mazava be ny mety hanoloana ny Jeneraly Camille Vital satria tsy mifanandrify amin’ny praiminisitry ny governemanta iombonana izy amin’ny maha miaramila azy. Efa in-droa naverin’i Andry Rajoelina teo amin’ny toerana rahateo izy ka rariny raha mba olon-kafa izay mifanaraka amin’ny fepetra voarakitra ny tondrozotra no hisolo azy. Efa mandeha ny feo fa eo amin’i Pierrot Rajaonarivelo sy Mamy Rakotoarivelo no mety hipetraka ny fifaninanana amin’io toerana io.

Mbola baraingo anefa aloha ny momba ny fanendrena izay ho lehiben’ny governemanta manaraka eo na eo aza ny tombana efa mandeha. Mbola eo amin’io tontolon’ny politika io ihany dia efa mazava kosa ny mety hanoloana ny minisitry ny fitsarana. Zava-dehibe ary manan-danja ireny fanehoan-kevitry ny sendikan’ny mpitsara Malagasy (SMM) izay tohanan’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) ireny, dia ny hifidianan’izy ireo izay ho minisitrany. Ny zava-misy tato ho ato ihany koa dia toa manaporofo fa efa miomana amin’izany ny minisitra ankehitriny ka mametraka faramparany izay efa napetrany hatrizay ihany, dia ny fanenjehana ny filoha Marc Ravalomanana izay hihazakazahany mihitsy ny famoahana antotan-taratasy mifandraika amin’izany. Eo aloha ny didy fampisamborana izay na ny Procureur Général aza no manasonia dia mazava fa io minisitra io ihany no ao ambadika. Tonga amin’ny fotoana tokony ho izy ny fanambaran’ny CSM sy ny SMM ny amin’ny hanendren’izy ireo izay minisitrany mba tsy hatao fitaovana politika, toy izay efa nitranga, ny fitsarana.

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT