Adihevitra ary anisan’ny nandaniana fotoana tamin’ny fihaonana faharoa teo amin’ireo vondrona politika Malagasy niaraka tamin’ny iraky ny Troika tao amin’ny Colbert ny amin’ny fanendrena praiminisitry ny tetezamita iarahana io.
Ny hany voalazan’ny tondrozotra dia sady tsy iray firohotana na firehana amin’ny filohan’ny tetezamita no tsy iray faritany fiaviana aminy izay ho praiminisitra hotendrena eo. Ny fanampiny dia tokony ho alohan’ny 01 novambra no hahafantarana izay ho praiminisitra eo, raha ny tetiandro nofaritan’ny Troika ary nankatoavin’ireo vondrona politika malagasy samihafa izay nohamafisina tamin’ny alalan’ny sonia ny alin’ny zoma 14 oktobra teo. Ny amin’ny firohotana aloha dia efa adihevitra. Efa nifaneken’ireo vondrona politika ary voasonia teny Maibahoaka Ivato tamin’ny 17 septambra 2011 moa fa i Andry Rajoelina no filohan’ny tetezamita. Nandritra ny fihaonana tao amin’ny Colbert ny 14 oktobra kosa ny UDR sy ny TGV no nilaza mazava fa izy ireo ihany no iray firohotana amin’i Andry Rajoelina. Fanambarana izay nanokatra varavarana ho an’ny V5 (Escopol Rabenjamina, HPM Ralison Roger, Arema Vaovao Benjamin, MDM ary ny TIM nisintaka) mpivory tao Ambohitsorohitra ho mpifaninana hanolotra olona ho amin’ny toeran’ny praiminisitra io raha toa ka ny Ankolafy Telo no nitaky hatrany fa tokony ho avy amin’izy ireo ny praiminisitra mba tsy hisian’ny fitanilana.
Ho sivily sa ho miaramila ny praiminisitry ny marimaritra iraisana eo ? Tsy misy andininy mamaritra izany aloha ao amin’ny sori-dalana vita sonia. Tato anatin’ny telo taona dia efa sivily telo Manandafy Rakotonirina, Monja Roindefo sy Mangalaza Eugène sy miaramila iray, Camille Vital no nisalotra izany anarana izany. Ny iray tamin’ireo ihany no nifanarahan’ny rehetra dia i Mangalaza Eugène, saingy nandalo sy niserana ihany, tsy nahavita nandray na didim-pitondrana iray akory aza. Ankehitriny dia ry zareo avy amin’ny Escopol Parlementaire no re fa dia mitazona ny jeneraly Camille Vital amin’io toerana io. Efa nanambara izany koa ny UDR teo aloha teo fa aleo ny praiminisitra am-perinasa hanohy ny asany. Farany teo moa ny TGV dia nilaza, tamin’ny alalan-dRtoa Lanto Rakotomavo, fa tsy hanolotra anarana ho Praiminisitra ny antokon’izy ireo. Anarana mandehandeha any koa anefa ny an’i Manandafy Rakotonirina, Naika Eliane, ny jeneraly Jean Jacques Rasolondraibe, jeneraly Pily Gilbain ary ny jeneraly Andrianafidisoa. Fa adihevitra koa ny hoe tsy tokony ho avy ato amin’ny faritanin’Antananarivo no mipoitra ny Praiminisitra, satria lasa iray fiaviana amin’i Andry Rajoelina ka tsy manaja ny sori-dalana.
Manokatra adihevitra vaovao koa ny amin’io resa-piaviana io satria ankoatra ny fiheverana fa mifanohitra amin’ny fotokevitra fihavanam-pirenena noho izy manome vahana ny fisaratsarahana dia misy loharanom-baovao koa milaza fa Betsileo i Andry Rajoelina. Betsileo avy amin’ny rainy. Mbola io loharanom-baovao io no mitatitra fa ny raiben’i Andry Rajoelina niteraka ny rainy dia milevina mazava tsara ao Ambalamanga Sahamadio Fandriana, Faritra Amoron’i Mania. Raha izay tokoa no izy, ary raha ampiharina ara-bakiteny izay voarakitry ny sori-dalana dia tsy misy mahasakana ny hanendrena olona avy ato amin’ny Faritanin’Antananarivo ho praiminisitra.
Jean D.
Sary : Ho Praiminisitra miaramila sa sivily no hiasa ato amin’ity Lapa ity aorian’ny 01 novambra 2011 ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.