Politique

Praiminisitra Beriziky Voantso any Afrika Atsimo


  • Alatsinainy 23 Janoary 2012

Mihazakazaka ny fandehan’ny toe-draharaham-pirenena taorian’ny nanakatonan’ny FAT ireo seranam-piaramanidina lehibe eto Madagasikara, indrindra ny teny Ivato, tamin’ny alalan’ny NOTAM ka tsy nahafahan’ny fiaramanidina nitondra ny filoha Marc Ravalomanana, niditra teto ny sabotsy 21 janoary 2012 teo.

 Fantatra izao fa dia voaantso any Afrika Atsimo, hanazava ny anton’iny NOTAM iny marina ny praiminisitra Omer Beriziky. Manomboka mampiteraka ahiahy ny maro mantsy ny fihetsika sy ny andraikitra marina raisin’ny praiminisitra amin’ny fampiharana ity tondrozotra ity, indrindra ny andininy faha-20 miresaka ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana ankalalahana an-tanindrazana, izay ahitan’i Omer Beriziky lazaina hatrany fa tsy mbola feno ny fepetra. Araka ny loharanom-baovao dia voakasik’izao fiantsoana izao koa ny FAT ary ny ankolafy Ravalomanana. Marihina fa ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma, no filoha amperin’asa mitarika ny Troika SADC, izay nanankinan’ny SADC ny famahana ny krizy eto Madagasikara. Hisy ny fivoriana hataon’ny Firaisambe Afrikanina amin’ity herinandro ity, ary efa nilaza ny filoha Zuma fa hanery ny FAT hamela malalaka ny filoha Ravalomanana hiditra eto Madagasikara, araka ny voatondron’ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT