Politique

Praiminisitra Beriziky Tsy mahazo miteny amin’ny TVM


  • Zoma 03 Aogositra 2012

Nanaitra ny maro ny nitateran’ny televizionam-pirenena (TVM) ny fanehoan-kevitry ny Praiminisitra lehiben’ny governemantan’ny firaisam-pirenena, Beriziky Jean Omer, taorian’ny namoahan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita na CENI-T ny tetiandrom-pifidianana ny alarobia 01 aogositra, tolakandro teo.

 Ny andron’io ihany saingy ny maraina, ny Praiminisitra Beriziky dia nandray delegasiona sinoa avy amin’ny masoivohom-baovao Xinhua News Agency teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, fa tsy nitatitra an’io koa ity haino amanjerim-panjakana ity fa nanivana ny vaovao misy ny Praiminisitra. Niaiky izany ny mpiasa tao raha nanontaniana, izay nanamarika mazava fa tsy avy amin’izy ireo ny antony fa baiko midina. Minisitra, Praiminisitra, fiadidiana ny tetezamita no ambaratongan-drafitra ambony afaka manao izay baiko midina izay. Ny Praiminisitra anefa eto no lasibatra. Na izany avy amin’ny minisitry ny serasera na avy any amin’ny fiadidiana ny tetezamita, izay ny filohan’ny FAT no lehibeny, no niavian’io baiko io, izay am-bava raha ny ahafantarana azy hatreto. Hafahafa ihany aloha raha toa ka ny fiadidiana ny tetezamita no handingana ny minisitry ny serasera ka hiantso mivantana ny tompon’andraikitra ao amin’ny TVM, na tsy mahagaga aza izany, satria tsy misy zavatra manara-penitra izany amin’izao tetezamita.

Ny trangan-javatra niseho tato ho ato anefa, toy ny nitaterana tao amin’ny TVM nandritra ny minitra lava dia lava ny lanonam-pitokanana fotodrafitrasa sy fanolorana fitaovana ho an’ny masoivohon’ny haino amanjerim-panjakana tao Maevatanana, izay notarihin’ny minisitry ny serasera, dia mampirona ny eritreritry ny maro any amin’ity farany ho niavian’io baiko midina mandrara ny fampitenenana ny praiminisitra amin’ny haino aman-jerim-panjakana io. Ny mpanohitra, indrindra ireo olon’ny ankolafy Ravalomanana moa dia efa am-bolana no tsy mahazo “micro” amin’ny TVM na dia mpiara-mitantana ny tetezamita aza. Mifanohitra tanteraka amin’ny voalazan’ny andininy faha-17 ao amin’ny tondrozotra, izay efa lasa lalàna, milaza ny fahalalahana maneho hevitra, fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ary indrindra ny fiarovana ny zon’olombelona, izao zava-mitranga izao.

Mazava izany izao fa dia misy mitady hanao ampihimamba ny RNM sy TVM sahady, valo volana tsy hahatongavan’ny fifidianana filoham-pirenena. Izany dia mbola tarazon’ny fanonganam-panjakana nitranga tamin’ny 2009, nisiana manamboninahitra lefitra mibaiko jeneraly. Izao indray ity ka minisitra no mifehy Praiminisitra. Tsy mbola nandrenesam-peo ity farany, raha efa manomboka maneho hatezerana manoloana izao fihoaram-pefy izao kosa ny manodidina azy izay ahiana hiteraka savorovoro ary vao mainka hampitombo ny tsy fifankahazoana sy elanelana misy eo amin’ny filohan’ny tetezamita sy ny Praiminisitra, nefa samy ao amin’ny rafitra mpanatanteraka.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT