Politique

Praiminisitra Beriziky Ny fifampiresahana sy fifandeferana ihany


  • Alarobia 02 Mey 2012

Nambaran’ny Praiminisitra Omer Berizika tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza taorian’ny fanokafana ofisialy ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Kongresin’ny tetezamita omaly maraina fa hodinihana ao anatin’ny filankevitry ny govenernemanta rahampitso (anio alarobia) ny mikasika ilay Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CFM) mahabe resaka ny maro.

 Efa voadinika ny alatsinainy niaraka tamin’ny teknisianina isan-tokony, hoy izy, ny hevitra rehetra mba hahamora ny ahitana ny marimaritra iraisana ahafahana manangana an’io rafitra io. Mikasika ny zava-niseho tamin’ny sabotsy teo tetsy Ambohijatovo dia mampalahelo ny toy ireny, hoy ny Praiminisitra Beriziky, satria dia filohana andrim-panjakana no niharan-javatra tahaka ireny ka niteraka tsy fahasalamana ho azy ary tsy nahafahany nitarika ny fivoriana. Amiko, hoy izy, dia ny firesahana, ny fifanakalozan-kevitra, izay ihany no hamahana ny olana eto. Tsy hisy vahaolana maharitra izany, hoy izy, raha tsy misy fifanatonana fifampiresahana ary fifandeferana.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT