Politique

Praiminisitra Beriziky Nandresy lahatra an-dry Zafy teny Ivandry


  • Alarobia 23 Novambra 2011

Tsy raikitra tamin’ny ora farany ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety saika hataon’ny Mandan’ny Fanoherana, ivondronan’ny ankolafy Zafy, ankolafy Ravalomanana ary ny Monima, tokony ho natao omaly tolakandro.

 Tonga teny amin’ny “Villa La Franchise” Ivandry, trano fonenan’ny Pr Zafy Albert ny praminisitra Omer Beriziky, omaly tamin’ny fiafaran’ny tolakandro. Vory lanona tao avokoa ireo mpiara-dia amin’ny Pr Zafy, indrindra ireo voatendry ho minisitra, ankoatra an’i Manoro Régis. Na tsy nambara aza ny anton-dian’ny praiminisitra teny dia azo antoka fa tonga handresy lahatra ny ankolafy Zafy, handray ny toerana nanendrena azy ireo minisitra. Naharitra rahateo ny fihaonana satria efa tamin’ny sivy ora alina tany vao nirava. Tsiliantsofina no nandrenesana fa nitaky tamin’ny praiminisitra ny hanarahana ara-bakiteny ny sori-dalana, ka hampiharana avy hatrany ny andininy faha-20, ny ankolafy Zafy, fitakiana izay toy ny fepetra mipetraka mialoha ny handraisan’ireo minisitra voatendry ny toerany anaty governemanta.

Mbola ny loharanom-baovao no milaza fa mitady ny hanafainganana ny famoahana ireo gadra politika ho amin’ity herinandro ity ry Zafy, ary koa ny hamelana ny filoha Ravalomanana ho tonga haingana. Amin’ny sabotsy izao aza raha ny teny niainga avy amin’ny mpivory tao. Mbola ny loharanom-baovao no mitatitra fa mitazona ny teniny tamin’ny nandraisany fahefana ny praiminisitra nilaza fa hampihatra antsakany sy andavany ny tondrozotra ary io no hany mibaiko azy. Ho hita eto ny maha diplaomaty an’i Beriziky. Amin’ny ankapobeny dia misinda ny ahiahy mikasika an’ity praiminisitra ity eo amin’ny ankolafy Zafy, ary re fa miomana amin’ny famindram-pahefana ireo minisitra voatendry avy amin’ity firehana ity. Anio ny an’ny Dr Joseph Randriamiandrisoa, minisitry ny tontolo iainana sy ny ala vaovao. Aorian’ny fahatongavan’i Deba ny an’i Tabera Randriamanantsoa, minisitry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy. Ny teo anivon’ny ankolafy Ravalomanana kosa dia nanamafy fa tsy miala anatin’ny dingana famahana ny krizy, sy ny fampiharana ny tondrozotra izy ireo, fa eo amin’ny fomba fanatanterahana azy ity no tsy maintsy hifanazavana sy ifameperana tsara, hoy i Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasiona. Nanamafy izay Rtoa Ihanta Randriamandrato, izay voatendry ho minisitry ny fiompiana ao amin’ny governemanta Beriziky, izy no nanampy fa amin’ity anio ity no ho fantatra ny hevitry ny ankolafy misy azy mikasika ny hoavin’ny fandraisana anjaran’izy ireo anatin’io governemanta io. Mikasika amin’izay mety ho fihaonan’ny ankolafy Ravalomanana manokana amin’ny praiminisitra Omer Beriziky, toy ny nataon’ity farany tamin’ny ankolafy Zafy, kosa dia nilaza i Mamy Rakotoarivelo fa tsy nahazo fampilazana ho amin’izany izy ireo.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT